Saika isan’andro dia andrenesa hatrany olona voaendaka sy angalarana mpitondra « cyclo-pousse » eto Toamasina. Ho an’ny mpivarotra izay tena voa matetika sy betsaka amin’ny fitarainana voarain’ny mpitandro filaminana, dia ireo mandeha maraina sy tratra alina noho ny varotra atao no tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ; saingy ankehitriny dia miitatra izany ka ireo mpivarotra mpividy « friperie » eny amin’ireo toerana mpamongady izany indray izao no tena lasibatra. Mazana mantsy maka fonosana lamba tonta maromaro ireo mpivarotra izany, ka voatery maka posy roa na telo mitondra izany izay efa feno ireo mpitondra posy ireo manodidina ireny tranombarotra mpamongady fonosana lamba tonta ireny. Mandritra izany no hanararaotan’izy ireo mangalatra ireo entana ireo, satria efa misy ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny samy mpitondra posy amin’ny fandehanana mafy an’ireo posy miotondra ny entana, nefa ilay mpitondra ny tompony milaza ny tsy afaka aty aoriana. Sarotra ho an’ireo tratran’izany anefa ny mamantatra ireo mpitondra posy mpangalatra sy mpanendaka ireo, noho ny fahamaroan’izy ireo izay efa ho 40.000 eto Toamasina izao. Eo koa ny tsy fisian’ny marika hamantarana azy ireo. Ankoatra izany ho an’ireo olona hafa tratran’ ny asa ratsin’ireto mpitondra « cyclo-pousse » mpanendaka sy mpangalatra ireto, izay tsy izy rehetra kosa aloha no manao izany, dia ireo mpiasa tratra alina sy miainga vao maraim-be, ireo mpandeha trano fandihizana sy trano fisotroana no tena lasibatra izy ireo. Ho an’ireo olona ireto indray, dia firaisan’izy ireo amin’ireo mpanendaka no misy, satria raha misy ny tranga miseho dia tsy mba isan’ny voan’ny fanendahana sy ny halatra ireo mpitondra « cyclo-pousse ».
Malala Didier