Vokatry ny firongatry ny tsy filaminana eto Toamasina, ny vaky trano, fanendahana, fanafihana mitam-piadiana, ary ny vono olona, dia namory haingana ireo ekipan’ny « OMC » ny prefen’i Toamasina Atoa Benandrasana Cyrille ny herinandro nivalona iny.
Nandritra izany dia hentitra ny baiko nomen’izy ireo ny mpitandro ny filaminana eo anivon’ny Emmo-Sécurité Atsinanana, fa mila vokatra haingana amin’izany filaminam-bahoaka izany ny vahoaka. Ho an’ny « OMC » dia mila mampitombo ny fanangonam-baovao ny mpitandro ny filaminana, Mila manao fanaraha-maso andro na alina ny zandary sy ny polisy, ary mila manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa, fa efa tena mandry andriran’antsy ny vahoakan’i Toamasina noho ireo andian-jiolahy. Hatreto mantsy mbola dimy tamin’ireo orinasan-jiolahy no voasambotra sy miandry ny fitsarana azy am-ponja. Mbola tovolahy efatra tamin’ireo voarohiroy, fa namono ilay teratany frantsay sy ny vadiny malagasy ary ny zanaka izy ireo farany teo.
Ankoatra izany omaly maraina dia tratra ambodiomby teo am-pamakiana trano ity tovolahy iray; izay mbola nitondra moto nangalarina tao amin’ity fokontany Anjoma 23/21 ity ihany koa. Vao niantsovonjy ny fokonolona dia nikoropaka ilay tovolahy mpamaky trano, ka raha nandositra dia tafiditra indray tao an-tokotanin’olona ka noraisim-potsiny. Soa fa tonga mialoha ny polisin’ny FIP naka ity tovolahy mpamaky trano ity, raha tsy izany dia efa niharan’ny fitsaram-bahoaka satria efa leo ny vaky trano izay saika isan’andro ao Anjoma 23/21.
Ankoatra izany, dia tratra ambodiomby teo am-pitaomana ireo entana halatra nandritra ny vaky trano tao Mangarano koa ireto jiolahy ireto. Raha voasambotra izy ireo avy hatrany dia nanoro ny tokantrano fivarotana sy fitehirizan’izy ireo ny entana avy nangalarina mandritra ny vaky trano fanaon’izy ireo. Ireo kojakojan-tonkatrano sy ireo fanamasifam-peo ary ireo fahitalavitra samihafa no tena angalarin’ireo jiolahy mpamaky trano ao Mangarano ireo.
Malala Didier