- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminam-bahoaka eto Toamasina : Ny « Ecran plat » sy ny « moto » izao no...

Tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina : Ny « Ecran plat » sy ny « moto » izao no bizina mandeha amin’ireo jiolahy

Tokony ho tamin’ny 01 ora maraina, ny alakamisy nifoha ny zoma, tao Andranomadio, dia trano telo be izao no nisy namaky ao anatin’ny fotoana fohy. Raha ny fanazavan’ireo fianakaviana tratran’ny vaky trano, dia ny savily mihitsy no tapatapahan’ireo jiolahy. Vao tafiditra ny trano izy ireo dia ny vola avy hatrany no takiany. Izay no nahavery ny vola 02 tapitrisa ariary tamin’ny nitrangan’ity vakitrano ity. Aorian’izay izy ireo vao maka ny “Ecran plat” ary ny moto no farany raha misy ao an-trano. Izany rehetra izany dia miaraka amin’ny daroka, ka tamin’ity tranga ity dia olona roa no naratra mafy. Tamin’ity trangana vakitrano telo ity dia moto telo no nangalarin’ireo jiolahy, ary “Ecran plat “ roa koa no very nandritra izany. Raha vao nahazo ny antso avy amin’ireto fianakaviana tratran’ny vakitrano ireto ny Fip dia nidina ifotony ka raikitra avy hatrany ny fikarohana ny manodidina rehetra. Raha nataon’ny polisy ny savahao eran’ny tanana tao Andranomadio dia tao amin’ny tokotaniben’ny trano fandraisam-bahiny “Relax” efa simba tao Andranomadio no nanafenan’ireo jiolahy ny entana halatra fanaon’izy ireo. Tratra niaraka tamin’ireo entana halatra ireo tao amin’ity toerana ity koa ireo jiolahy telo, raha mbola misy tsy tratra tamin’izany. Mbola niaraka tamin’ny antsibe fampiasan’ireto jiolahy telo tratra ireto. Voatery nosamborin’ny polisy koa ny mpiambina ity “Relax” ity satria heverin’ny polisy fa misy ifandraisana amin’ireo jiolahy tratra, ary heverina fa ao amin’ity toerana ity izany no fanafenan’ireo jiolahy ny halatra ataony avy ao Andranomadio. Tafaverina tamin’ireo tompony ny “Ecran plat” roa very sy ireo moto telo. Ankoatra izay ihany koa, telo andro lasa izay no nifanehatra tamina jiolahy avy namaky trano ny Fip, ka vao nahita azy ireo ireto jiolahy dia nitsoaka ka navely teo ny entana avy nangalariny, izay mbola ahitana “Ecran plat” sy moto ihany koa. Tsy fantatra ny tompon’ny entana nefa afaka mitondra taratasy fanamarinana  samy hafa eo anivon’ny polisin’ny Fip izay mety ho tompony.

Malala Didier 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici