- Publicité SW45 -
jeudi, janvier 16, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Fanafihana mitam-piadiana dimy tao anatin’iray volana

Tsy filaminana eto Toamasina : Fanafihana mitam-piadiana dimy tao anatin’iray volana

Isan’ny fandaharan’asan’ny ben’ny Tanana vaovao ny ho fametrahana ny filaminam-bahoaka eto Tpamasina renivohitra, satria mahatsapa ny ben’ny Tanana fa tena mandry tsy lavo loha ny vahoaka noho ny tsy fandriampahalemana misy. Noho izan dia nampiantso ireo mpisahana ny filaminam-bahoaka eto Toamasina ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, izay nahitana ny polisy – ny zandary – ary hatramin’ny miaramila, teo koa ny fihatrehan’ny ben’ny Tanana ny fihaonan’ny OMC sy ny Emmo-Sécurité Toamasina. Raha ny zava-misy araka ny angom-baovao anefa tsy nanakabara nandritra ny fihaonana ny polisim-pirenena momba ny tsy filaminana eto Toamasina, na fantatra aza fa efa dimy ny fanafihana mitam-piadiana nandrtra sy nahafaty olona niseho tao anatin’ity volana janoary ity; raha nampiseho ny asany amin’ireo kaominina sy ireo fokontany manodidina an’i Toamasina renivohitra kosa ny zandary. Nozaraina roa ny fisahanana ny filaminam-bahàaka eto Toamasina, ny tampon-tanana anjaran’ny polisy izay hifanampiany amin’ny miaramila indrindra ny fisahanana ireo lalam-pasitra samy hafa; ireo manodidina ao Toamasina suburbaine kosa anjaran’ny zandary izay mbola hifanampiany amin’ny miaramila ihany amin’ireo toerana voasokajy ho mena. Na izany dia nambaran’ny prefen’i Toamasina fa mandray anjara andro na alina amin’ny fisahanana ny filaminam-bahoaka koa ny miaramila amin’izao fotoana izao, ka ny fokontany 138 ao anatin’ny boriborin-tany 05 no hosahanin’izy ireo amin’izany. Ankoatra izany dia nanambara ny ben’ny Tanana vaovao Rakotoniaina Nantenaina Herilala ireo paik’adiny tokony hatao amin’ity tsy filaminam-bahoaka ity, izay nilazany hatrany fa vonona hifanampy amin’ireo mpitandro ny filaminana amin’izany ny kaominina, na ara-bola io na ara-pitaovana. Ny tanjona hoy ny ben’ny Tanana dia handry fahalemana amin’izay i Toamasina renivohitra.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici