- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Feno vaky trano ny fokontany maro

Tsy filaminana eto Toamasina : Feno vaky trano ny fokontany maro

Velon-taraina ireo vahoaka eny amin’ny fokontany maro eto Toamasina, fa tsy misy torimaso mihitsy isak’alina noho ireo mpamaky trano manao ny ataony. Efa misy ireo fokontany manao fiambenana isaky ny alina, fa tsy mahasakana azy ireo izany amin’ny asa ratsy mahazatra azy, ireo mpiambina alina indray aza no rahonan’izy ireo ho vonoina.

Isan’ny fokontany tena velon-taraina momba ity firongatry ny asan-jiolahy ity ny ao amin’iny fokontany Ambohijafy avaratra P/elle 14/31 iny. Araka ny fanazavan’ny mponina dia ramatoa be mananontena no notsatohan’ireo jiolahy ireo “barre à pince” ny lohany, saingy tsy maty fa mbola mitsabo tena eny amin’ny hopitaly ny tenany amin’izao, no niharan’ny antsonjay sy ny fampijaliana nataon’ireo andian-jiolahy mpamaky trano. Nidina nijery ny tena zava-nisy teny amin’ity fokontany ity mihitsy ny polisim-pirenena notarihan’ny kaomisera misahana ny boriborintany voalohany Toamasina, kaomisera Rakotovao Jean Christian, ka nandritra izany no nahitany ny tena ny zava-nisy tao amin’ity fokontany ity. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny kaomisera, ka nandefa polisy isan’andro mpisafo ireo elakelan-trano rehetra ao an-toerana, ka misy ireo mandeha fiara ao kosa ireo mandeha an-tongotra. Misy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny polisy amin’ireo andrimasom-pokonolona ao amin’ny fokontany Ambohijafy avaratra P/elle 14/31, ho fametrahana ny filaminam-bahoaka maharitra.

Ankoatra izany dia mitaraina vokatra ity firogatry ny vaky trano ity ihany koa ny ao Mangarivotra avaratra sy ao Androranga. Efa mipetrapetraka avokoa ny tetika ho fanenjehana ireny jiolahy mampahory vahoaka isam-pokontany ireny hoy ny kaomisera Rakotovao Christian, ary efa mampihatra azy izy ireo izao, ka ho hita eo ny vokany

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici