- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Jiolahy dimy nikotrika hanafika matin’ny FIP, ny telo...

Tsy filaminana eto Toamasina : Jiolahy dimy nikotrika hanafika matin’ny FIP, ny telo hafa tratran’ny UIR

Manao ezaka goavana ny polisim-pirenena eto Toamasina mikasika ny fametrahana filaminana ho an’ny vahoaka amin’ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana. Ny alatsinainy teo dia jiolahy dimy nikasa hanao fanafihana no nahazoan’ny polisin’ny FIP vaovao tamin’ny olona tsara sitra-po tao amin’ny fokontany Verrerie P/elle 21/74. Efa tafavory tsara ireo jiolahy tokony tamin’ny 07ora hariva ny alatsinainy io no tonga tampoka ny polisin’ny FIP ka avy hatrany dia fifampitifirana no nitranga teo amin’ny roa tonta.

Vokany, lavon’ny bala avokoa ireo jiolahy dimy ireto, dia i Driche – Dada – Ialy – Tantely – iray tsy fantatra ny momba azy. Mbola tratra teny amin’ireo ny basy PA sy ny bala maromaro niaraka taminy ary ny ody gasy fampiasan’izy ireo ho fiarovan-tena sy hampahomby ny asa ratsy ataony. Voalaza fa isan’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana samihafa eto Toamasina ireto andian-jiolahy dimy maty ireto, hoy ny polisy nanazava. Ankilan’izay dia rangahy iray kosa no tsy nitsoaka tao an-trano nisy ireo andian-jiolahy ireto, izay tsy fantatra ny tena andraikiny. Nilaza ity olona ity fa nasain’ny tompon-trano naka ny trosany taminy ity rangahy ity, nefa sendra izao sakoroka be nitranga tao Verrerie izao. Nosamborina ny tenany ary natao fanadihadiana eo anivon’ny polisy misahana ny raharaha hamantana ny tena andraikiny tamin’ity raharaha ity. Eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be miandry ny havany ireo dimy lahy matin’ny bala ireto nanomboka ny talata teo.

Ankoatra izay dia nahatratra andian-jiolahy telo tao Tanandava koa ny polisy ny UIR ny alatsinainy tolakandro teo. Voalaza fa isan’ireo andian-jiolahy efa ela nifampitadiavana izy ireto, dia Ingahy Rakotoraison Aina na “Ra-Mamy”, tompon’ny basy sy mampiasa ny moto “bol d’or” Tiandray Daniel, ary Rasolofo Jean Patrick. Ny tena nampalaza azy ireto ny taona lasa iny dia ny fanafihana vola 200 tapitrisa ariary teo amin’ny Shell Ambohijafy mpandraharaha jirofo sy ilay fanafihana teo akaikin’ny Epp La Marne Tanamakoa. Mbola izy ireo koa no iray tarika tamin’ny fanafihana sy namaky ny magazay iray ka nahavery moteran’ny moto “kinglon” niisa 140 ny taona 2018. Efa niakatra fampanovana ny raharaha omaly ka miandry fitsarana am-ponja avokoa izy telo lahy ireto araka ny didy savaranonando nivoaka.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici