- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina :Jiolahy efatra lavon’ny balan’ny FIP…

Tsy filaminana eto Toamasina :Jiolahy efatra lavon’ny balan’ny FIP…

Tena misy tsy filaminana ny kaominin’i Toamasina tato ho ato izay noho ireo asan-jiolahy. Mampiasa fitaovam-piadiana sy zava-manaranitra izy ireo mandritra ny asa ratsiny, indrindra fa ny vaky trano. Vokatr’izany dia nanao hetsika ny ekipan’ny FIP notarihan’ny komandany Lapely, sy ny talen’ny filaminana anatiny, ny kaomisera Rakotovao Christian, izay nanome ny toromarika rehetra.

Noho ity hetsika nataon’ny FIP ity dia jiolahy efatra fanta-daza amin’ny asa ratsiny ao Andranomadio sy ny manodidina no lavon’izy ireo ny maraim-ben’ny 24 jolay teo tokony tamin’ny 03 ora maraina. Araka ny fanazavana voaray dia nahazo vaovao ny pilisin’ny FIP ka nandefa polisy nanao fanamiana sivily sady nampitondraina finday nandritra izany tao amin’ilay faritra hoe Ambodivolo Andranomadio P/elle 11/43. Voalaza fa tena faritra mafana amin’ny asan-jiolahy ity faritra Ambodivolo ity, ka ireo polisy namany sasany efa niandry niafina teo akainy teo. Nandritra izany, raha nahita ireto polisy nanao fanamiana sivily dia nivoaka ireto lehillahy efa-dahy, sady miaraka amin’ny sabatra sy antsibe ary efa miomana ny handrava ireto polisy nanao fanamaniana sivily. Tao anatin’izany anefa dia nivoaka tampoka ireo polisy efa niafina teo akaiky, ka vonona hisambotra ireto jiolahy efatra ireto. Tsy nilefitra izany anefa ireto jiolahy ka niezaka nanohitra ireto polisy ny FIP efa vonona ny hanavo-tena. Namaly ny fanoheran’ireto jiolahy ny polisy, ka tao anatin’izany dia lavo avokoa ireo efa-dahy saika hanendaka ireto polisy nanao fanamiana sivily. Efa zatra sy tamana manao ratsy ireto efa-dahy ireto, fa tojo ny tsy nampoizina izy ireo, ary tena efa mpanao heloka manodidina ao Andranomadio.

Ankoatra izany dia nanao hetsika nisambotra ireo karazana “clan” mahazo vahana eto Toamasina amin’ny fokontany sasany ny polisy eto Toamasina. Naharay fitarainana amin’ny zavatra ataon’ireo “clan” ny polisim-pirenena ka nihetsika nisambotra ireto tanora mpanao izany, mba hanafaizana azy ireo. Tsy hanavahana olona ny fisamborana fa izay vandana dia kary, ary nanome rariny ny polisim-pirenena ireo ray aman-dreny maro eny amin’ny fokontany vokatr’izany asa ataon’ny polisim-pirenena izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici