Efa tena very ny soatovina malagasy ankehitriny raha ny zava-misy iainan’ny vahoaka andavanandro no jerena, satria tato ho ato izay dia nahazo vahana ny resaka vono olona amin’ny tsy fanajana intsony ny atao hoe aina, izay zava-dehibe tamin’ny Malagasy. Tranga iray tamin’izany no niseho tao amin’ny tanana Tsaravanga, kaominina Antetezambaro Toamasina II, amin’ny lalam-pirenena faha-05 iny ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany hariva. Rangahy iray 64 taona avy tany an-tanimboly hamonjy fodiana no nofirain’olon-tsy fantatra tamin’ny antsy teny an-tananany ihany, satria fomban’ny olona any ambanivolo raha mandeha mamonjy toeram-pambolena no tsy misaraka amin’ny antsy eny an-tananany. Tompona Cyber iray antsoina hoe Cyber Familly sy tompona trano nataon’ny fiangonana zandriny fanaovana fotoam-bavaka ao Ankirihiry Toamasina ity rangahy 64 taona ity, ka noho io tranony nampanofaina io no nahatonga azy niperaka amin’ny tranony ihany ankehitriny any Antetezambaro, nefa izao niharan’ny hetraketraky ny andian’olona ka maty izao. Efa fantatra ankehitriny ny nahavanona izao famonoana olona tao Anatetezambaro izao, fa izany totovolahy antsoina hoe Isala, 20 taona, izany. Raha ny fanazavana azo dia tsy mifankahazo loatra amin’ity rangahy ity ilay tovolahy; ka raha nahita azy dia nilaza taminy hametraka ny antsy eny an-tanany fa hiresaka aminy; saingy tsy tapitra izay dia norarafan’ilay tovolahy totohondry ilay rangahy be ka nidaraboka tamin’ny tany. Ny antsin’ilay rangahy ihany avy teo no namirany azy mandra-pahafatin’ilay rangahy be. Nandositra ihany ilay tovolahy saingy tsy ela akory dia tratran’ny fokonolona ka nentin’izy ireo teo anivon’ny zandary. Raha ny fanadihadiana natao dia sambany olona novoin’ity tovolahy antsoina hoe Isala, 20 taona, ity ity rangahy be ity. Efa mandeha ny fanadihadian’ny zandary mihazona ny raharaha ankehitriny.
Malala Didier