- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Mampiasa sarim-basy sy fanamiana mpitandro filaminana ireo mpanendaka

Tsy filaminana eto Toamasina : Mampiasa sarim-basy sy fanamiana mpitandro filaminana ireo mpanendaka

Efa ela no mampitaraina ireo mpampiasa ny lalana mikasika ireo andian-jiolahy mpanao fanakanan-dalana eo amin’ny faritry ny fiangonana “Notre Dame de Lourde” (NDL) Anjoma iny. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny teo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany Tanambao II eto Toamasina notarihan’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian. Nanaovan’izy ireo vela-pandrika ireto andian-jiolahy mpanao fanakanan-dalana eo akaikin’ny fiangonana NDL Anjoma ireto, ka lehilahy iray nampiasa sarim-basy PA sy nanao fanamiana mpitandro ny filaminana no saron’izy ireo nandritra izany. Mpanendaka amin’ity lalana NDL ity izy ireo raha vao mihamaizina ny andro. Efa nanendaka polisy hamonjy fiasana tamin’ilay lalana ihany koa ny alakamisy lasa teo. Raha ny fanazavana dia telo lahy izy ireo manao ity asa fanendahana olona amin’ny lalana NDL Anjoma ity, saingy hatreto dia mbola ity lehilahy iray ity no sarona niaraka tamin’ny fitaovana teny aminy. Eo am-pikarohana ireo namany roa lahy ny polisin’ny boriborintany voalohany ankehitriny, ka nilaza ny kaomisera Rakotovao Jean Christian fa tsy ho ela dia ho sarona izy ireo hamita ny saziny any amin’ny fitsarana. Ho an’ireo mpampiasa ny lalana NDL Anjoma iny koa dia afa-po tamin’ny asan’ny polisy izy ireo, satria tena mampitaintaina azy ireo mihitsy ny fomba fiasan’ireto andian-jiolahy mpanendaka saron’ny polisy teo amin’ny lalana NDL ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici