Saron’ny polisy eto Toamasina ireo isan’ny jiolahy kalaza amin’ny famakiana trano dimy, ny herinandro nivalona iny. Mitaraina lava amin’ny vaky trano mantsy ireo vahoaka ao Depôt Analakininina misy “carreau” efatra sy Vohitsara iny, ka voatery nanaovan’ny polisin’ ny FIP hetsika manokana, satria tsy vitan’ny mamaky trano ihany ireo jiolahy, fa sady mangalatra no manolana ary mamono mihitsy ihany koa. Isan’ny niharan’izany ilay teratany frantsay sy ny vadiny ary ny zanany farany teo iny, izay tsy hita raha tsy efa namofona tao an-tranony. Tsy mifidy zavatra angalarina ireto jiolahy ireto, fa izay azony amidy sy angalarina dia alain’izy ireo avokoa, satria efa mitondra fitaovam-pitaterana ,toy ny Tuc-Tuc sy Cyclo-pousse mihitsy izy ireo mandritra izany, raha ny fampitam-baovao azo tamin’ireo fianakaviana tratrany. Ankoatra izany, nambaran’ny polisy fa isan’ny mampirongatra ny vaky trano sy ny fanendahana ary ny fanafihana mitam-piadiana mirongatra eto Toamasina izao ity ny firongatry ny fitsindronana rongony mahery vaika “heroine” ataon’ny tovolahy. Tato ho ato mantsy izay tratra amin’ny fanendahana sy famakiana trano ary ny fanafihana mitam-piadiana, dia saika ahitana soritra fitsindronana “heroine” avokoa ny tànan’izy ireo. Toy ireo mpanendaka telo lahy saron’ny FIP tao Valpinson, ny herinandro nivalona iny. Tsy mandà ny fampiasan’izy ireo izany ireo tratra, ary sahy milaza mihitsy fa ny antony hanendahana sy hanaovan’izy ireo famakiana trano ary ny fanafihana mitam-piadiana, dia ny hahazoana vola hivatsiana ilay rongony mahery vaika vahiny izay mitentina 60.000 ariary hatramin’ny 80.000 ariary ny iray “sachet” kely aminy, izay mahavita daozy in-3 mitsindrona. Raha izao no mitohy, hoy ny mpitandro ny filaminana, dia ho potika ny tanora malagasy, satria sady ho lasa mpidoroka rongony mahery vaika, no lasa jiolahy mahery vaika eny amin’ny fiarahamonina.
Malala Didier