Hain’ireo andian-jiolahy mpangalatra moto tsara, fa vitsy ny mpitandro ny filaminana eto Toamasina, noho ny iraka nampanaovina azy ireo, amin’izao fahatongavan’ny papa ray masina François eto amintsika izao ka misy amin’izao no tena manararaotra manao izany halatra moto izany . Io no bizina mandeha sy haingam-pihodina amin’izao eto Toamasina. Vokany misy mihitsy ireo làlana tsy tian’ny olona intsony ny mandalo eo aminy vao maizina ny andro, raha tsy hoe angaha tsy afa-miala. Isan’izany : Lalam-baovao Tanambao V – Ambolomadinika, ny lalam-baovao Ankirihiry – Mangarivotra, ny lalana Bazary Ankirihiry mandalo bazary may ary mipaka hatrany Mangarivotra, ny lalam-baovao Ankirihiry – mivoaka any Mangarano mandalo sampanana Relax, bazary Valpinson, ary Morafeno – Valpinson iny. Hatreto aloha, dia ny moto rehetra no angalarin’ireo andian-jiolahy izay tena mbola tanora ireto, fa misy karazana moto izay sady mora amidy no maro mpitady. Tamin’iny herinandro nivalona iny, dia saika isan’andro dia nahenoana fahaverezana moto hatrany, tamin’ireo toerana ireo, nefa ny ankamaroan’ny tratran’izany tsy misy mitory eny anivon’ny mpitandro ny filaminana noho ny tahotra ny valifatin’ireo jiolahy. Ankoatra izany, gaga ny rehetra fa raha nakaton’ny fanjakana noho fahadisoana goavana nataony amin’ny fampisotroana zava-pisotro misy alikaola zazalahy sy zazavavy latsaky ny 15 taona ao aminy ny trano fandihizana “Willy” Ankirihiry, ny alakamisy teo, izay niisa 30 be iza no tratra tamin’izany, dia re izao fa nanomboka ny zoma alina teo, dia efa nanao ny asany indray ity trano fandihizana ity noho ny antony tsy mazava.
Malala Didier