- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Misy mangalatra hatramin’ny kisoa am-bala

Tsy filaminana eto Toamasina : Misy mangalatra hatramin’ny kisoa am-bala

Raha ny halatra omby no tena fahita eto amintsika ataon’ireo dahalo, dia misy indray koa izao ny dahalo amin’ny halatra kisoa eto Toamasina. Ireo kisoa am-bala no tena angalarin’izy ireo, ary vonoiny vao entiny an-tsena hamidy amin’ireo mpaka antoka. Maro vokatr’izany ny fitarainana voarain’ny Fip Toamasina mikasika ireo kisoa am-bala very ao amin’ny fokontany manodidina an’i Toamasina, ka raha nanao fisafoana noho ireo fitarainana azony ny Fip omaly, niaraka tamin’ny fanampiana ny andrimasom-pokonolona tamin’ny filazana ny vaovao, dia olona efatra avy nangalatra kisoa  telo no tratra tsy nisy taratasy teny amin’izy ireo. Tao Tsarahonenana – Tsarakofafa no nahatrarana azy efa-dahy ireto, niaraka tamin’ireo kisoa telo avy nangalarin’izy ireo. Raha ny sihon-dresaka re etsy sy eroa, dia amidin’izy ireo varo-boba 10.000 ariary ireo kisoa avy nangalarin’izy ireo; izay izy ireo ihany no mamono azy ary mivarotra azy ambongadiny. Nefa any amin’ny 15.000 ariary hatramin’ny 16.000 ariary ny kilao amin’izy ireny, eny amin’ny toerana fivarotana azy samihafa eto Toamasina. Amin’ireto kisoa tratry ny Fip avy nangalarina efa-dahy ireto, dia manao antso avo amin’izay manana kisoa very ny Fip mba hanatona azy ireo miaraka amin’ny porofo, fa eo am-pelan-tanan’ny Fip ireto biby fiompy ireto amin’izao fotoana. Ankilan’izany, dia mbola manamafy hatrany ny Fip Toamasina, fa mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ny Polisim-pirenena, ka tokony hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny andrimasom-pokonolona sy ny polisy hahafahana mifehy ireo mpangalatra ny fananam-bahoaka ireny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici