Tao anatin’ny 10 volana tamin’ity taona ity dia mpanao gazety dimy mianadahy no efa nisy nifofo ny ainy sy lasibatry ny asan-jiolahy. Ny telo tamin’izany dia nidirana an-keriny tao an-tokantranony ary nangalarana sy norobaina ny entany niaraka tamin’ny fitaovam-piasany. Ny roa kosa dia nosakanana sy norobaina teny an-dalana hamonjy fodiana, ary nisy nandritra izany nokasaina hodomina tamin’ny fiara tsy mataho-dalana ka naratra mafy.
Isany tratran’izany mpanao gazety voatafika izany ity nitranga tamin’ity herinandro ity tao Ambolomadinika. Mpanao gazety miasa amin’ny fahitalavitra tsy miankina eto Toamasina manana ny foibeny ao Antananarivo niaraka tamin’ny vady aman-janany. Raha ny fanazavan’ity mpanao gazety ity tamin’ny mpanao gazety niresaka taminy, dia nitranga tao amin’ny tsenan’Ambolomadinika tokony 6 ora sy sasany. Sendra nivoaka kely ny tokatranony izy telo mianaka mba hampiasa vatana mandeha an-tongotra, ilay mpanao gazety nanao an-tsangory ny zanany telo taona, ilay ramatoa mitondra “sac à banane”. Tsy nanampo na inona na inona izy telo mianaka fa teo anoloan’ilay ramatoa nisakana azy ity tovolahy iray. Avy hatrany dia nanambana antsy lavalela avy any an-damosiny ilay tovolahy, ka teo amin’ny tendany mihitsy no nandrahonana azy mba hakana ilay “sac à banane”. Niezaka namaly izy mivady ka nalefan’ilay jiolahy avy hatrany ny antsy lavalela teo amin’ny tendan’ilay ramatoa, fa saingy tsy nahavoa azy izany ka nibolisatra teo amin’ny sandriny. Saika notsatohana antsy koa ny kibon’ilay mpanao gazety saingy noho ilay jiolahy voasintona tampoka no tsy nahavoa azy fa nisolifatra ilay antsy lavalela. Tsy nisy nanavotra izy telo mianaka ireto nefa maro ireo olona teny Ambolomadinika nitazam-potsiny; tuc-tuc sendra nandalo ihany no mba sahy namonjy azy telo mianaka.
Ankoatra izany dia tsy nifarana teo ny zava-drehetra fa tokony tamin’ny 3ora maraina tamin’ity herinandro ity ihany, mbola nidirana jiolahy tao anaty fefin’izy mivady ireto. Raha ny zavatra nataon’ireo jiolahy ireto tao anaty fefy ireto nandritra izany ny fangalarana ireo jirobe (lampadaire) teny ambony tafo. Nandritra izany dia tapaka raha teo ny herinaratry ny jirama tao anatin’izany.
Malala Didier