Saron’ny polisy ireo andiana tanora manendaka mpandeha tratra hariva amin’iny lalana canada sy anjoma ambony ary androranga sy lalana SKT iny. Mpiray tsikombakomba amin’ireo andian-tanora mpanendaka ireto ny mpitondra posy manao izany zotra izany, raha mihevitra ny olona fa voaaro raha mandeha posy. Efa-dahy ireto tratra aloha hatreto izay tena mampikolahy ireo olona tratra hariva mody mampiasa ireo lalana ireo mihintsy izy efa-dahy ireto sy ny antsiny. Fitoriana mpiasan’ny seranan-tsambo nandeha nody nisy nanendaka teo akaiky ny trano fandihizina « escale » Anjoma no nitarika ny fisamborana azy efa-dahy ireto. Very nandritra izany ny ampahan’ny karaman’ilay mpiasan’ny seranana mitentina 500.000 ariary sy ny findainy ary izay rehetra teny aminy tamin’io fotoana nanendahana azy io. Voatsindron’antsy izy nandritra izany saingy tsy nahafaty azy ny tsindron’antsy nahazo azy. Vao nipetraka ny fitoriana satria fantatra ilay mpiasan’ny seranana ny iray tamin’ireo nanendaka azy, ka iny iray tratra iny no nitarika ny fahatrarana azy efa-dahy tamin’izao raharaha noho izy ireo nifanoro. Ankilan’izany tao amin’ny andranomadio fampitobian’ireo tantsaha avy any ambanivolo ny entana entiny amidy eto Toamasina. Very lava ireo entan’ireto tantsaha ireto raha isaina hoy ireo tantsaha dia efa in-11 izay ny fahaverezana, izao vao tratra ireo mpangalatra ireo entan’ny tantsaha ireo. Izany Hery izany ny anarana voantonontonona tany amboalohany, hay i Dada no tena mpangalatra izany satria tratra tao aminy avokoa ireo entana ireo raha nosavaina ny tranony ao andranomadio, isan’izany ireo arina anaty gony maro be, ireo karazana anana anaty garaba maro be ary ireo fitaovana samy hafa famarotra ireto tantsaha ireto eto Toamasina. Ankaotra izany ny 05 oktobra teo tokony tamin’ny 07ora sy sasany hariva teo akaikin’ny Tama-Pièce Ambolomadinika, tovolahy nivoaka ny trano ividy sigara voatsatoka antsy saingy tsy maty, lasan’ireo jiolahy ny finday sy ny vola teny aminy. Voalaza fa telo lahy ireo nanao izany saingy ny iray no mbola voasambotra izao araka ny fanazavan’ny polisy taorian’ny fitorian’ilay niaharam-boina.
Malala Didier