- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : “Ny aza voany ihany” hoy talahon’ny vahoaka

Tsy filaminana eto Toamasina : “Ny aza voany ihany” hoy talahon’ny vahoaka

Vavaka tokana no tsy miala eo am-bavan’ny vahoaka eto Toamasina amin’izao tsy fisian’ny filaminana na andro na alina izao dia ny hoe “ny aza mba voany ihany”. Saika isan’andro mantsy dia mitaintain-dava tsy an-trano tsy an-dalana ny ankamaroan’ny olona, Ny sasan-jiolahy sasany efa tsy hay intsony na valifaty na halatra tsotra. Tsy mpisolovava, tsy mpanao politika, tsy mpanam-bola, tsy karana, fa hatramin’ny mpanao gazety dia iharany ihany koa. Tovolahy iray zanaka mpanao gazety hamonjy fodiana teny Analakininina hopitaly be no noravan’ny andian-jiolahy izay tena mbola tanora tokoa. Antsy sy sabatra no nampiasain’ireto andian-jiolahy mbola tanora ireto, ka raha tsy voatanany ny lelan’antsy teny amin’ireo jiolahy dia niditra ny kibony. Saika niala mihitsy ny ilan’ny felatanan’ity tovolahy zanaka mpanao gazety ity nandritra izany, nefa ny finday sy ny moto nentin’ity tovolahy ity no nalain’izy ireo, izayary mbola nandrahona hoe “aiza ny dadan’ialahy mpanao gazety iny, miseho ho mafy mantsy lery iny, ary tsy misy atahoranay azy mihitsy”, hoy ireo andian-jiolahy enina. Midika izany fa hain’ireo andian-jiolahy eto Toamasina koa ny mpanao gazety, ka lasa mandry andrin’antsy ny fianakaviany noho izany amin’izao. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha raha ny fanazavana azo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici