Tranga nahavariana ny maro no niseho tamin’iny lalana mihazo ny “rond point” Boulevard Augagneur iny ny alatsinainy alina. Nisy mpanendaka dimy lahy niaraka nandrava cyclo-pousse iray tamin’iny lalana mihazo ny moron-dranomasina “Miami” iny. Nisy nahita izany tranga izany ka raikitra ny fifanenjehana teo amin’ireo mpanendaka sy ireto fokonolona, ka ny iray tamin’izy dimy lahy no tratran’ireto fokonolona. Voadaroka mafy ity tratran’ny fokonolona ity, satria saika naratra avokoa ny tarehiny sy ny vatany, ka tao anatin’izany dia mody maty ilay mpanendaka tratra ity noho ny daroka nahazo azy. Raha nahita izany ireto olona nahatratra azy sy nidaroka dia nanipy azy tao anatin’ilay lalan-drano teo akaiky teo izay manasaraka ny lalana roa. Noho ny lasa ireo mpidaroka sy ireo olona nahatratra ity mpanendaka dia nitsangana moramora avy ao anaty lalan-drano nanipazan’ny olona azy hoe maty izy azy lasa nitsaitsaika nody tsy misy ahiahy intsony. Ireo olona nahita ity tranga ity dia nilaza avokoa fa mitazona ody mahery miaro aina ity mpanendaka vooadaroka ity, matoa tsy maty tamin’ny daroka nahazo rehetra.
Malala Didier