- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina renivohitra : Ramatoa iray maty voatsatoka antsy tao...

Tsy filaminana eto Toamasina renivohitra : Ramatoa iray maty voatsatoka antsy tao Anjoma…

Tsy milamina ny Tanàna hoy ireo olona niresaka taminay nilaza ity vaovao fahafatesana ramatoa iray, “Elisa” manodidina ny 40 taona eo, voatsatoka antsy tao Anjoma P/elle 23/24 ity. Voalaza fa andro mbola amin’ny 9 ora alina izay mbola misy olona mandeha eny amin’ny arabe, sy mbola misy olona misotro ihany koa amin’ireo trano fisotroana, no nitrangan’izany fandravana amin’ny antsy nataon’andian-jiolahy izany. Raha ny fitantaran’ny fianakaviany tamin’ny mpanao gazety dia ramatoa mpiasa alina amin’ny hotely  hody izy ity no tratran’izany fanendahana sy famonoana tamin’ny antsy izany.

Vola 2.000 ariary no teny aminy nandritra izany, nefa vao tonga teo amin’ilay mpivarotra arina tamin’ny lalam-by ao Anjoma dia tovolahy roa no nanakana azy. Amin’ny asany dia noheveriny ho mpanjifa ireto nanakana azy ka nijanona ny tenany, kanjo olona nandeha nandrava azy ary nanambana antsy azy amoahany ireo vola sy ny firavana rehetra teny aminy. Tsy nanana izany anefa izy ka nilaza izany tamin’ireo nanakana azy, avy hatrany dia tsatoka antsy voalohany no nataon’ireo tanora roa ireto taminy. Niezaka ny nanavo-tena nandositra ihany ny tenany saingy vao maika notsatohan’ireo andiana tanora roa ny antsy fanindroany  n izay nahavoa ny faritra saro-pady tamin’ny vatany ilay antsy. Niezaka ny nanavotra ny ny ainy ny mpitsabo teny amin’ny hopitaly be saingy noho ny rà very be loatra taminy sy ny fahatarana tamin’ny fahatongavana teny amin’ny hopitaly, dia maty ny tenany tokony tamin’ny 11 ora alina ary nalefan’ny mpitsabo nody tamin’ny misasak’alina.

Ankoatra izany dia efa tranga roa izao ny tsy filaminana nitranga tao amin’ity fokontany Anjoma ity tao anatin’ny herinandro izay. Teo ilay mpikirakira vola notafihana andian-jiolahy nitam-basy izay tsy nahazoany tamin’ny voalohany ary mbola narahan’izy ireo ny alina tokony tamin’ny 11 ora alina ny fiandohan’ny herinandro teo. Nifanehitra tamin’ny olona mitam-basy nefa ireo mpanafika tamin’izay. Teo ihany koa ity mpitaigina môtô avy niasa hody izay noravan’ireo andian-jiolahy roa ireo ihany teo amin’ny “barrière” Anjoma, tsy nisy ny maty fa ny môtô no lasan’ireto jiolahy ireto nandritra izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici