- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina renivohitra : Tena misy ireo zaza maditra anaty...

Tsy filaminana eto Toamasina renivohitra : Tena misy ireo zaza maditra anaty fikambanana antsoina hoe “Gool Den Team”

Efa lasa lavitra ny ditran’ny ankizy eto Toamasina amin’izao fotoana izao, manomboka mazava izao ireo setrasetra ataon’ny tanora etsy sy eroa ireny ankehitriny. Misy fikambanana antsoina hoe “Gool Den Team” izany natsangan’ireto tanora ireo mba ahafahany manao ny ditrany, ka telo lahy no mitarika izany dia i Ti Teuf sy Clédos ary Gino.

Raha ny fanazavana dia ingahy Ti Teuf no tena lehiben’ity fikambanana ity nefa izy telo lahy dia mbola kilasy famaranana ao amin’ny lycée Toamasina II avokoa. Raha ny fanazavana hatrany dia fikambanana miafina handraisana zaza maditra sy ireo zaza te-haditra eto Toamasina mpianatra izy ity, ka satrasetra sy fifohana rongony ary vetaveta ara-pilana ara-nofo no mibanan-toerana ao anatin’ny fikambanana. Mafy ny fifanarahana eo amin’ny samy mpikamba raha tafitra ao anatiny, mifanao dina na “pacte” irony izy ireo mandritra izany. Mifampiaro amin’ny lafin-javatra maro ka izany no mampisy ireo tanora misetrasetra eny an-dalana ireny. Raha misy mpikambana iray hiaran’ny herisetra dia ny rehetra no miara-miaro izany amin’ny valifaty ataony. Ireo zaza tafiditra amin’izany koa maro ireo tsy hody any amin’ny ray aman-dreniny intsony fa variana migoka, mifoka ary manao firaisana ara-nofo fotsiny, miala mianatra mihitsy. Mba hahafahana mamatsy ara-bola ny fikambanana dia miara-miasa amin’ireo olon-dehibe mpanimba zaza izy ireo, ary sandainy vola ireo tovovavy mbola tsy ampy taona sy mbola virijiny miditra ny fikambanana. Farany teo izao dia tovovavy miisa telo mpinamana no naira-tsy nody tany an-tranon’ny ray aman-dreniny nanomboka ny 28 marsa teo, mpianatry CEG Ratsimilaho izy telo vavy ka ny iray kilasy de 5ème ny roa kosa kilasy de 4ème  ary 12 taona monja ny iray tamin’izy ireo.

Nony hita izy telo vavy ireto dia nohadihadiana teny amin’ny zandary, nefa tsy nisy ny vaovao azo niraisina ny nambarany, satria efa Diana ny tsy fahazoana mamoaka ny tsiambaratelo momba ny fikambanana “Gool Den Team”. Tao anaty “facebook” an’ilay tovovavy no nahalalana ingahy Ti Teuf nifanao fotoana taminy tamin’ireo 28 marsa io.  

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici