Saika isan’andro dia ahenoana fahaverezana moto foana sy fanafihana andian-jiolahy ary famakiana trano na tranombarotra eto Toamasina. Vokatry ny fitarainan’ny vahoaka noho io tsy filaminana mirongatra be eto Toamasina io, dia nanao fivoriana maika sy goavana ary henjana ny OMC Toamasiana notarihan’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille omaly maraina, izay namoriany ireo tompon’andraikitra ara-pilaminana rehetra teto Toamasina, ny zandary – ny polisy – ary ny miaramila, nandinika ny fomba atao hifehezana izao tsy filaminana mirongatra be izao. Ny alatsinainy alina teo izao dia mpivady mpanao ireny “mobile money” ireny hamonjy fodiana tokony tamin’ny 6ora sy sasany hariva no notafihana andian-jiolahy teo am-pidirana ny vavahadiny. Manana fivarotana “mobile money” miisa fito eto Toamasina i Zafimiaraka Olivier 31 taona ity, ka avy nanangona ny vola sy ny finday tamin’ireo fivarotana ireo izy mivady sy ny zanak’ anabaviny, no tratran’izao fanafihana izao. In-4 nitifitra ny jiolahy nandritra izany ka niteraka ny fahafatesan’ity tovolahy ity ka ny bala iray dia niditra ny fony ary nahavoa ny vadiny teo amin’ny tanany tao aoriana. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 12 tapitrisa ariary sy ny moto RS nentin’izy ireo tamin’izany, izay tsy hita ny lakile an’ilay moto ka voatery natosik’ ireo jiolahy satria hain’izy ireo tsara fa tao anatin’ilay moto ny vola notadiavin’izy ireo izay niampy ireo finday miisa 15. Basy PA manana bala 9mm no nampiasain’ireo andian-jiolahy roa nanao izao fanafihana izao, izay bala mitovy amin’ireo bala miparitaka fampiasan’ireo andian-jiolahy eto Toamasina hatramin’izay ihany ireto izany. Noezahan’ny fianakaviany sy ny manodidina nentina teny amin’ny hopitaly be ihany i Olivier Zafimiaraka saingy tsy tana teny an-dalana ny ainy, ny vadiny kosa manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly Morafeno. Anio no hihazo an’i Mahanoro ny fatin’ity tovolahy ity handevenana azy eo anivon’ny fasan-drazany. Ankoatra izay, ny alin’ny alatsinainy io ihany koa dia tera-tany frantsay 56 taona ihany koa maty tao Tahitikely izay voalaza fa namono tena nefa misokatra ny fanadihadiana noho ny ahiahy momba izany izay heverina fa mety ho nisy namono ihany, satria feno ratra ny endriny sy ny vatany na tsy nisy very ny entana tao an-tranony.
Malala Didier