- Publicité SW45 -
mercredi, mars 12, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Tena tonga dia momono ireo jiolahy

Tsy filaminana eto Toamasina : Tena tonga dia momono ireo jiolahy

Manao tohivakana ny trangan’ny tsy filaminana eto Toamasina; araka ny fantatra dia lasibatry ny jiolahy ny fiaran’ny prefen’i Toamasina ny alarobia 18 janoary teo tokony tamin’ny 5ora hariva. Raha ny angom-baovao dia nisotro dite teo amin’ny trano fisakafoanana iray teo amin’ny boulebard Joffre ny tenany nandritra izany, ny nahagaga tamin’ity raharaha ity dia tsy vaky ny fitaratra, ka heverina ho manana ny fanalahidy mitovy amin’ilay fiara nentiny ireto jiolahy nahavita namaky ny fiara. Very tamin’izany taratasy maro mahakasika azy, clé Usb, fanalahidy ny tranony, kara-panondrom-pirenena…ary karatra banky azy. Ny maraina ny alakamisy ihany koa tokony tamin’ny 8ora sy 55min, lahilahy antsoina hoe Fidemis Voriolo 47 taona monina ao Ankirihiry avaratra, no namoy ny ainy vokatry ny hetraketraky ny olon-dratsy. Jiolahy roa nandeha môtô no nanafaka azy tamin’izay. Raha ny fitantaran’ny fianakaviany dia nivoaka naka vola 200.000 ariary tamin’ny kioska teo Valpinson tsy lavitra ny trano ipetrahany ity lehilahy ity no nahita fanafihan-jiolahy teo ampitan’ny toerana nakany vola. Fianakaviana akaiky raha teo ilay notafihany jiolahy 2 nandeha môtô sy nitondra basy; raha ny fantatra dia zanaka anabaviny miasa amin’ny orinasa mpanao kioska sy mpiara-miasa amin’ny canal plus ilay voatafika. Avy naka vola tao toeram-piasany ary hanatitra izany amin’ilay kioska any zanak’anabaviny antsoina hoe Roland; ka raikitra teo ny fifampisintonana tamin’ilay sakosy sy ilay tovolahy. Raha nahita ilay sakoroka teo ampita ingahy Fidelis Voriolo, dia nanatona niezaka hanavotra ilay zakan’anabaviny, saingy avy hatrany dia notifirin’ireo andian-jiolahy ka voa teo amin’ny kibony, saingy tsy naratra kosa ilay zanaka anabaviny. Lasa ilay sakosy nisy vola 6 tapitrisa ariary taorian’izay. Nitsoaka nihazo ny cite Valpinson ireto jiolahy ary mbola nanao tifi-danitra nandritra izany. Nentina Tuc-Tuc teny amin’ny hopitaly manara-penitra ilay voatifitra, minitra vitsy nahatongavany teny anefa dia tsy tana ny ainy. Fantatra fa namela kamboty 12 mianadahy sy mananontena ny maty tamin’izao; avy any Ambovombe ny fiadiany raha ny fanazavana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici