- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fitandremana…sa fahamamoana? : Polisy inspektera iray nanary basy PA fananam-panjakana

Tsy fitandremana…sa fahamamoana? : Polisy inspektera iray nanary basy PA fananam-panjakana

Loza ny an’ity inspektera iray miasa eto Toamasina fa very ny basim-panjakana “Pistolet Automatique, PA, fampiasany. Tamin’izy niasa tany Sainte Marie anefa no nahazoany izany basy izany, ka raha ny marina dia tsy tokony ho nentiny nanara-dia azy teto Toamasina tamin’ny famindran-toerana azy ity basy PA ity, saingy tsy izay no nataony fa nentiny ihany izany raha ny fanazavana azo noho fahalalany olona ambony teo anivon’ny polisim-pirenena izany. Voalazan’ny vaovao nangonina hatrany. Afenina mafy ity fahaverezana basy nataona inspektera ity, ka voarahona hosaziana mafy izay polisy mianan-kendry mamoaka izany, saingy ao ihany ireo polisy tsy manaiky lembenana ka nitantara ny zava-nisy tamin’ny mpanao gazety, satria tsy azo atao kilalao toy izany ny filaminam-bahoaka. « Nahoana raha polisy madinika no manary basy dia tsy misy tsy mahare ny vazan-tany efatra eto Madagasikara ? » Hoy hatrany ireo tsara sitra-po namoaka ny vaovao. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa efa nanome baiko an’ity inspektera ity ny lehibeny ny hametrahana ity basy PA fampiasany ity ao anatin’ny fitehirizana basin’ny polisy, ary nataony tokoa izany. Nisy fotoana ihany koa nisy polisy avy any Sainte Marie nitondra olona hotsaraina eto Toamasina. Nilaza ity inspektera ity fa tsara raha hampitondray azy ireo ilay basy haverina eo anivon’ny kaomisarian’i Sainte Marie niaviany roa herinandro lasa izay, ka navoaka ara-dalana niaraka tamin’ny taratasy mirakitra izany rehetra. Ny nahagaga anefa taty aoriana dia tsy tonga tany amin’ny kaomisarian’i Sainte Marie niaviany ilay basy PA navoaka ary izao fantatra izao fa very indray ilay izy. Vokatry ny fahamamoana no antony, raha ny angom-baovao hatrany. Miaro tena fatratra anefa ity inspektera ity izao fa very tao amin’ny birao fiasany ity basy PA ity fa tsy noho ny fahamamoany izany. Ankoatra izay anefa dia hampitombo ny tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina ity basy PA ana inspektera very ity. Ho hita eo ny tohiny sy ny fanadihadiana ny raharaha, satria heloka be vava eo anivon’ny polisim-pirenena izany manary basim-panjakana izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici