- Publicité -
mercredi, novembre 5, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFokontany Menagisy Brickaville : Tsy mbola tafavoaka ireo olona telo tra-doza latsaka...

Fokontany Menagisy Brickaville : Tsy mbola tafavoaka ireo olona telo tra-doza latsaka tanaty rano

Manao izay ho hafany ireo tompon’andraikitra rehetra ao amin’ny fokontany Managisy sy avy ao Brickaville, manao ny fanafahana ireto olona telo voaporitry ny kamiao izay nivarina tamina tetezana tao Menagisy ity. Ilay mpamily mpanampy sy ilay mpandeha iray niaraka taminy no avotra soa amantsara no nitantara ny zava-nisy rehetra sy ny anton’ny loza, izay vokatry ny tsy fetezana tampoka tamin’ilay fiara kamiao mpitondra entana ka ireo tampidi-doza izao. Voalazany koa mpamily ny kamiao ny iray fa olona nandeha ilay kamiao kosa ilay zaza sy ilay ramatoa niaraka taminy. Riri izany no anaran’ity mpamily mbola nosokirana tao anaty kamiao ity, fa ireo mpianaka dia izany Nancia sy Nancy no anarany ary ao kaominina Ambalarondra ny fiaviany. Ireo roa efa avotra kosa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Brickaville amin’izao ary efa tsy ahiana ny ainy araka ny vaovao voaray. Hatramin’ny nanoratana ny vaovao dia manao ny ezaka rehetra hiisokirana ireo olona telo mbola tafeva tao anatin’ilay kamiao mpitondra entana ity ireo vahoaka ireo mpamily kamiao namany mpanao ny zotra Toamasina Port sy Antananarivo. Ankoatra ity loza nahafaty olona telo tao Menagisy Brickaville ity dia ny resa-be mandeha nahatonga ny loza noho ny resaka finoana tamin’ireo olona manodidina. Nefa nazava ny tenin’ilay mpamily mpanampy fa olana ara-teknika no nahatonga ny loza nahafy olona izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici