
Feno olona teo ivelan’ny tranon’ny artista Yoongs amin’ny tarika Wada sy Yoongs. Omaly tontolo dia tsy niala teo ny olona satria liana tamin’ny zava-nitranga. Nisy olona nandondona tao an-tranony ary avy hatrany dia nanao video mivantana ny artista nilaza fa tonga ny mpisambotra azy. Tsy nitsahatra nivoatra ny toe-draharaha nanomboka teo. Ny tapak’andro hariva dia nanao video koa i Wada, mpiray tarika aminy, ary nanazava fa resa-pianakaviana no misy ary mila entina miala tao an-trano Yoongs. Tsy misy fikasàna hisambotra izany, raha ny fanazavany. Ny mpitandro ny filaminana koa dia nivezivezy teo nandritry ny andro ary toa vao mainka nanamafy ny ahiahin’ny olona fa hosamborina ilay mpanakanto. Nifamahofaho be ny toe-draharaha. Raha nanontaniana ny mpitandro ny filaminana izay misahana ny boriborin-tany misy an’Ambohipo dia nanamafy fa fanampiana ilay artista mba hoentina any amin’ny toeram-pitsaboana no anton’ny mahatonga azy ireo eo an-toerana. Ny anton’izany dia araka ny fangatahan’ny maman’i Yoongs. Efa maizina ny andro omaly, mbola tsy nivoaka ny trano ilay artista ary nandà ny fangatahana azy mba hivoaka tao. Tsiahivina fa roa andro misesy dia nanao fanehoan-kevitra i Yoongs tamin’ny tambajotra sosialy ary nataony video mivantana koa. Tsy nisorona mihitsy izy no nilaza ny fiheviny mahakasika ny fitohizan’ny fanjanahana ny firenena. Nandeha avokoa ny teny mahery sy mivatambatana araka ny fahalalàn’ny olona azy. Moa va misy hifandraisany amin’izany ny zava-nitranga omaly? Nipetraka tao an-tsain’ny olona aman’aliny izay nanaraka ity raharaha ity tamin’ny tambajotra sosialy ny fanontaniana. Torak’izany koa ireo izay niandriandry teo amin’ny manodidina ny tranony. Omaly alina dia nanazava i Ando, anabavin’i Yoongs ary nilaza fa tsy misy resaka politika fa fitiavana ny anadahiny no nangalàna ilay fanapahan-kevitra ny haka azy. “Efa reraka izy ary mila maka saina kely. Hanao izay tratry ny herinay izahay amin’ny fikarakarana azy ary mila ny fanampian’ny olona aza amin’izany mba hiverenan’I Yoongs eo amin’ny sehatry ny kanto indray tsy ho ela” raha ny fanambaràny. Hatramin’ny nanoratana ny lahatsoratra dia mbola miketrika ny fomba hamoahana azy ny rehetra teo Ambohipo.
D.R
Pfff. Tokony mody any fianaratsoa raha tsy miasa.