- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversTsy milamina i Toamasina : Misy isan’andro ny fanafihana mitam-piadiana

Tsy milamina i Toamasina : Misy isan’andro ny fanafihana mitam-piadiana

“Efa ihoaran’ny jiolahy ve ny mpitandro filaminana eto Toamasina, no saika isan’andro ny fanafihana mitam-piadiana eto amin’ity kapitaly ekonomika ity?” Izay no fanontaniana eo am-bavan’ny vahoaka eto Toamasina renivohitra amin’izao. Vao omaly indray izao dia olona avy naka vola tamin’ny banky no voatafika tao Valpinson P/elle 11/76, ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny vola 12 tapitrisa ariary. Araka ny fanazavana anefa dia lavitra ny biraon’ny FIP ao Valpinson ity fanafihana ity. Tsy nisy anefa ny maty sy ny naratra tamin’ity fanafihana ity na nampiasa basy aza ireo jiolahy. Araka ny fanazavana dia nivoaka nividy kodiarana tamin’ity tranombarotra ity ilay raim-pianakaviana, ka tsy tapitra izay dia nisy andian-jiolahy nitaigina moto “Cygnus” ilay tuc-tuc nitondra azy ireo nisy ilay ramatoa nitondra ny vola. Tsy afa-nihetsika ilay nitazom-bola fa ny nanolotra ilay poketra ho an’ireo jiolahy no azo natao raha nitaky izany izy ireo. Tsy nitifitra aloha ireto jiolahy nandritra izany. Ankilan’izany dia renim-pianakaviana iray niharan’ny fanafihana ny alatsinainy 13 janoary teo teto Toamasina, no nitory teny amin’ny kaomisaran’ny FIP Valpinson. Voalaza fa niharan’ny halatra 04 tapitrisa ariary nataon’ny andian-jiolahy ity ramatoa ity nandritra izany teo Morafeno. Voalaza fa vola saika haterina eny amin’ny pasitora avy amin’ny fiangonana zandriny amin’ny asany ity vola lasa ity, ka ity pastiora ity no notoriany hoe naniraka nandroba azy. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha. Ankoatra izany, dia mihenjan-droa ny tady eo amin’ny mpianatra ao Barikadimy sy ny polisim-pirenena manao fanadihadiana momba ilay fanafihana tao Andranomadio farany teo, nandratrana olona iray, sy nahafatesana olona olona iray hafa. Namoaka ny heviny mantsy ireto mpianatra zanak’Ambatosoa, ary nilaza izy ireto fa tsy jiolahy ny havan’izy ireo fa mpianatra taona fahefatra eny Barikabimy, na ilay maty na ilay mbola maratra mitsabo tena amin’izao. Ataovy tsara ny fanadihadianareo fa aza manao asa maika sy tandrametaka amin’ny asa, sao hampiditra am-ponja olona tsy meloka eo. Namoaka ny heviny koa moa ny tompon’andraikitry ny polisy teto Toamasina teo aloha momba ity raharaha ity, ary nilaza koa izy fa mpianatra ao Barikadimy ireo voatifitra tamin’iny raharaha halatra tao Andranomadio iny.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici