- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversTsy milamina i Toamasina : Nisy nanafika ny « Accès Banque » Bazary kely

Tsy milamina i Toamasina : Nisy nanafika ny « Accès Banque » Bazary kely

Ny alarobia teo tokony tamin’ny 11ora antoandro dia notafihana andian-jiolahy enina nitondra basy basy vita gasy roa ny « Accès Banqie » Tanambao I, Bazary kely Toamasina. Ny telo lahy tamin’ireo andian-jiolahy no niditra ny banky raha niandry tety ivelany kosa ny telo ambiny niaraka tamin’ireo moto telo nentin’izy ireo. Tsy fantatra mazava noho ny tsy fahazoam-baovao avy amin’ity banky ity ny sandan’ny vola very na teo amin’izy ireo na tamin’ireo mpanjifany niharan’ny fanafihana ; fa vao naheno ny anjombona tao anatin’ilay banky ireto andian-jiolahy dia nitsoaka avy hatrany. Raha nanao ny fanarahan-dia ny polisy raha tonga ara-potoana taorian’ilay anjombona naneno, dia raikitra avy hatrany ny fanarahana ireto andian-jiolahy. Maty teo akaikin’ny CEG Ratsimilaho ny moto iray nentin’ireto andian-jiolahy ireto ka navelan’izy ireo teo, izay fantatra fa moto avy nangalarina ihany koa. Tena misy ifandraisany amin’ireo andian-jiolahy enina izay mbola tsy tratra tamin’ny fanafihana ny tranombarotra mpamongady « Fortunah » tao Tanambao V ireto andian-jiolahy ireto. Nanamarina izany ny basy nentin’izy ireo, ny fanamiany, ary ny tsy fanaovan’izy ireo saron-tava nandritra ny fanafihana ny « Accès banque » ity. Ho an’ny mpitandro ny filaminana dia mihantsy azy ireo ireto andian-jiolahy ireto, ary tena karazana orinasa kely amin’ny fanaovana asan-jiolahy koa izy ireo amin’ny fanafihana ataony. Na izany tsy milamina i Toamasina tato ho ato satria taorian’ny fakana an-keriny dia mirongatra izay tsy izy ny fanafihana mitam-piadiana tao anatin’ity taona 2019 ity, izay saika misy tratra hatrany isan-kerinandro eto Toamasina. Manome toky ny vahoaka anefa ny mpitandro ny filaminana fa hanao ny ezaka rehetra amin’ny fisamborana azy ireo, saingy miantso fiaraha-miasa amin’ny vahoaka sy ny andrimasom-pokonolona amin’ny fanomezam-baovao matotra sy marina azy ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici