- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Tsy nahazo nanao fanamiana miaramila ny zaza

Betroka : Tsy nahazo nanao fanamiana miaramila ny zaza

Voarara tsy mahazo manao ny fanamian’ny mpitandro ny filaminana ny mpianatra kely izay mba hanao fetin-tsekoly. Izany dia araka ny fampiharana ny lalàna velona sy ny fanambaràna nataon’ny Emmo-Nat mba hiadiana amin’ny mpitandro ny filaminana sandoka. Avy hatrany anefa dia niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotra sosialy izany, satria maro no nahatsapa fa mafy loatra ny fampiharana ny lalàna. Raha zazakely ve dia hisandoka ho mpitandro ny filaminana ary indrindra koa nampiasaina amin’ny fety ireo fanamiana. Tsiahivina fa fanapahan-kevitra noraisina noho ny fisesin’ny fanafihana mitam-piadiana ity fepetra ity. Ny ankamaroan’ireo jiolahy mantsy dia saika nanao fanamiana miaramila avokoa, araka ny hita tamin’ny “camera de surveillance”. Lalàna efa ela saingy mbola manan-kery ny mandrara ny fanaovana ireny fanamiana ireny raha ho an’ny olon-tsotra, raha tsy mahazo alàlana manokana. Saingy tsy ho an’ny zazakely hanao fety kosa…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici