Tsy nanaiky ny nisotroany kafé ny rainy. Herisetra izay nitarika fahafatesana avy hatrany no setrin’izany. Nopakainy famaky ny faritry ny loha sy ny hatoky ny rainy. Io farany izay maty tsy tsa-drano. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Analabemazava, Toamasina faharoa no nitrangan’izany. Ankehitriny dia efa voasambotra ilay tovolahy ary tazomin’ny zandary.
D.R