- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversTsy nanaja fihibohana teto Tanà : Olona 24 nentina teny amin’ny fitsaràna...

Tsy nanaja fihibohana teto Tanà : Olona 24 nentina teny amin’ny fitsaràna omaly

« Tsy olona hiantsena, tsy olona hividy fanafody na koa misy anton-dia manokana izay tsy maintsy hivoahana ny trano izy ireo fa kosa olona nivoaka ny trano mba hiala voly sy hitangorongorona. Izany dia manome vahana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 » raha araka ny fanazavan’ny polisy. Izany dia mahakasika ireo olona izay nosamboarina nandritry ny faran’ny herinandro izay natokana hibohana, araka ny fanapahan-kevitry ny governemanta. Mbola nisy ihany anefa ny tsy nanaraka izany ary noraisina ho fandikan-dalàna ny tsy fanajàna  fepetra ka nahatonga ny polisy nisamboatra azy ireo.   « Tao ny mbola mirevy anaty bar, ny tanora izay mitangorongorona ao anaty ‘salle de jeux’, ny manao karatra eny an-dalambe no mbola tratra miaraka amin’ny rongony koa, ny mivezivezy amin’ny alina kanefa tsy manana alàlana amin’izany (saika mbola tratra niaraka tamin’ny toaka ny ankamaroany) », raha araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny polisy hatrany. Nosamborina avy hatrany ireo ary nahatratra 24 ny olona izay nanokafana fanadihadiana. Notazomina tao amin’ny « violon » ireo nandritry ny roa andro ary tsy vitan’izay fa omaly dia natolotra ny fampanoavana tetsy Anosy. Tsy nisy aloha ny nidoboka am-ponja fa kosa arahin’ny fitsaràna maso akaiky ny momba azy ireo (sous contrôle judiciaire) ary azo antsoina isak’izay mety hilàna azy. Dikan’izay, efa voaraikitra an-tsoratra avokoa ny anaran’ireo olona sy ny mombamomba azy ary mandindona ireo voakasika ny fonja raha sanatria ka mbola misy ny endrika fandikan-dalàna izay mahakasika ny fepetra ara-pahasalamana. Tsy sangisangy arak’izany ny zava-misy rehefa faran’ny herinandro ka hoe vitan’ny fitazomana kely ao amin’ny biraon’ny polisy mba ho fananarana maivana. Tena entina eny amin’ny fampanoavana ary misy raharaham-pitsaràna mandeha.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici