- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina renivohitra : Tsy nilamina talohan’ny fetin’ny Krismasy

Toamasina renivohitra : Tsy nilamina talohan’ny fetin’ny Krismasy

Maro ireo tranga na tsy filaminana niseho talohan’ny fetin’ny Krismasy teo raha ho an’i Toamasina renivohitra no lazaina. Ny zavatra hita aloha saika tsy namoizana aina fa kosa, naharatrana olona. Teo izao ilay halatra vola 8 tapitrisa Ariary avy nalaina tamin’ny banky iray teto Toamasina, izay saika hanaovana tetikasa ampitomboana ny ambaindainy ny fananana, saingy dia lasana jiolahy tao anatin’ny indray mipi-maso. Tao Ambolomadinika no nitrangan’ity zava-niseho ity, ka vao niala tuc-tuc avy naka ny vola ilay rangahy dia avy hatrany efa notsenain’ireto jiolahy tamin’ny tifitra. Afaka niala ilay bala na basy nampiasain’ireo andian-jiolahy ihany ny tenany, saingy lasan’ny jiolahy ihany ny vola teny amin’ilay rangahy. Tsy afa-nanatona koa no manodidina na saika hanampy azy ihany aza raha nahita ilay tranga noho ny tifi-danitra nataon’ireto jiolahy nanaka azy ireo. Saika hanaovana tetikasa ilay vola nindramina tamin’ny banky saingy izao lasan’ny jiolahy izao indray.  Nisy koa ireto fantatra amin’ny anarana hoe “bande de 15” izay mandravarava ao Mangarano sy ny manodidina azy nanomboka ity fetin’ny krismasy ity. Ny azy ireo indray dia ny fandravana tokantrano sy fivarotana amin’ny alina no tena ataony, nefa tena mitifitra amin’ny “fusil à bille” mihitsy izy ireo raha misy ireo olona mitady hiditra amin’ny famakiana trano na fivarotana ataoany. Saika lasibatra avokoa ireo mpivarotra tao Mangarano sy ny manodidina tamin’ireto ekipa “bande de 15” ireto, izay niezaka nanao fiambenana ihany ny vahoaka saingy tsy mety tratra ireto ekipa ireto. Ankilan’izany dia ilay vaky trano tao Andranomadio P/elle 11/43 izay nahaverezana entana maro tao an-trano sy nandratrana raim-pianakaviana efa 75 taona tany ho any. Lasa avokoa na vola na firavaka na ireo entana tao an-trano toy ny fahitalavitra – solosaina entin-tanana – finday samy hafa – ary ireo kojakoja mifandraika amin’izany. Efa samy eny anivon’ny mpitandro ny filaminana avokoa ireo fitarainan’ny niharam-boina ireo, ka miandry ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny vahoaka ny ny fananany. Ankoatra izany dia saika nilamina ny teto Toamasina nandritra ny andron’ny krismasy, satria saika feno hipoka avokoa ny trano fivavahana na ny alina na ny andron’ny krismasy teo, nisy mihitsy ny fihagonana no nanao batemy ireo zanaky ny fiangonana an-jatony nandritra ny andron’ny krismasy tamin’ny fiangonana sasany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici