- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbolomadinika Toamasina : Tuc-tuc nifandona tamin’ny taksibrosy, nahafaty olona roa

Ambolomadinika Toamasina : Tuc-tuc nifandona tamin’ny taksibrosy, nahafaty olona roa

Potika tanteraka ilay Tuc-tuc

Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teo Ambolomadinika bazar manakaiky ny fivarotam-panafody Vonjy androany maraina. Fiara iray taksibrosy Mazda manga sy Tuc-Tuc no nifandona ka samy nivadika izy ireo raha taitra tampoka nahita ity Tuc-Tuc tampoka izy. Fa ny tao anatin’ilay Tuc-Tuc no fantatra fa tena voa mafy satria samy naratra mafy avokoa ireo olona efatra, nahitana zaza 02 taona sy 07 taona ary ramatoa iray niaraka tamin’izy ireo tao anatiny. Nentina namonjy hopitaly faran’izay haingana nahafahana namonjy ny ain’izy ireo saingy zava-doza no niseho nandritra izany. Tao anatin’izay no tsy tana ny ain’ity zaza 07 taona naira-tratran’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny reniny, izay mbola tena miady mafy amin’ny fahafatesaka. Nanao ny aina tsy ho zavatra ireo mpitsabo nihazona izany. Araka ny vaovao farany voaray anefa dia maty koa ity ramatoa renin’ilay zazalahy kely ity amin’izao, ary mbola ao anaty fitsaboana kosa ilay zaza 02 taona sy ilay mpamily Tuc-Tuc. Eny amin’ny hopitaly manarapenitra Morafeno rahateo no nitsaboana ireo tao anaty Tuc-Tuc sy ilay fiara Mazda manga. Tsy misy mampanahy kosa ireo tao anaty fiara na voa mafy ihany aza, noho ilay fiara nahitana rotika be ihany koa, ary nefa nahazo ny fitsaboana azy ireo. Efa tonga teny Ambolomadinika moa ireo mpitandro ny filaminana avy amin’ny polisy nijery ny zava-misy, ka ho hita eo ihany izay mety ho diso tamin’ity lozam-pimaoivoizana ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici