Niady tamin’ny fahafatesana nandritry ny iray volana sy tapany ilay tanora noho ny fihotsahan’ny « béton » teo amin’ny lohany. Teo amin’ny fidirana ny tonelina etsy Ambohidahy no nitranga ny loza. Nitontona teo amin’ny lohan’i Andry, mpianatra amin’ny taona fahatelo amin’ny fampianarana ambony ny bolongan-tsimenitra izay efa mafy noho ny vato. « Raha ny fitantaran’ny mpiara-mianatra aminy izay nahita ny loza dia tao anaty gony izany ary nianjera avy any ambonin’ny tonelina. Ny harivan’iny ihany dia efa natao ny fandidiana voalohany ny lohan’i Andry taorian’ny fitarafana azy ary nahitàna fa nisy rà niandrona ary koa vaky taolan-doha », raha araka ny fanazavan’i Rakotoarimanana David, rainy. Hatreto dia mipetraka ny fanontaniana raha nisy nanipy io gony nisy ireo bolongan-tsimenitra efa mivaingana io na koa nilatsaka hoazy. Mendrika ny hanokafana fanadihadiana lalina izany satria na inona na inona mety ho valiny dia loza mitatao ho an’ny olona ny zava-nitranga. Na ny fianakavian’i Andry aza dia mba manontany tena koa ny amin’ny tena fototr’ity loza ity. Raha toa ka nianjera hoazy ilay gony dia mendrika ny hojeren’ny teknisiana eo anivon’ny fanjakana – na izany minisitera na izany ny kaominina – akaiky ary handraisana fepetra maika. Raha toa kosa nisy ny mety ho ratsy saina dia mendrika ny hokarohina satria nifofo ain’olona. Hatreto anefa dia toa tsy nisy na inona na inona fampahafantarana ny tena zava-nisy kanefa dia loza mitatao ho an’ireo olona aman’aliny izay mivezivezy isan’andro amin’iny toerana iny. Na izany ny mpampiasa fiarakodia sy môtô, na izany ny mpandeha an-tongotra. Ny fizaràn’ny olona ny vaovao tamin’ny tambajotra sosialy no mba nanaitaitra. Eto an-drenivohitra dia maro loatra ny loza mitatao noho ny fahasimban’ny fotodrafitrasa. Ohatra akaiky be ny fisian’ireny lalan-drano izay tsy misarona ireny kanefa tsy hita rehefa avy be ny orana. Efa nahafaty mpianatra izany tetsy Ambatomaro nisy fotoana. Ny làlana goaka moa dia toa efa lasa andavanandrom-piainan’ny mpampiasa azy. Izay latsaka ao dia mitsabo tena dia vita fa tsy misy azo itarainana. Torak’izany koa ny fiarakodia sy môtô, rehefa potika dia amboarin’ny tompony dia tapitra hatreo. Nefa dia handoavana hetra avokoa izany rehetra izany. Momba ilay tranga tetsy Ambohidahy dia fantatra fa nivoaka ny hôpitaly omaly ilay tovolahy rehefa notsaboina nandritry ny iray volana sy tapany. Tsy nitantara izay lany intsony ny rainy ankoatra ny hoe tena nandany be ny fitsaboana ary tsy manakana izay terem-panahy ny hanome tànana ny fianakaviana. Afaka miantso an’i Mr David amin’ny 0342712403 izay liana amin’izany. Farany dia nisaotra manokana ny mpitsabo sy izay rehetra nanampy tamin’ny fitsaboana ny fianakavian’i Andry.
D.R