Efa eny am-pelatanan’ny zandary ny fanadihadiana ity raharaha ity. ONG iray izay mitonona ho nahazo famatsiam-bola tamin’ny “Union Européenne” no miantso olona maro hiasa eo anivony. Tsy mandefa tolotr’asa amin’ny haino aman-jery izy ireo fa ampitampitainy am-bava fotsiny. Haingana dia niely ny feo ary betsaka ny roboka, satria ny karama ampanantenaina dia tonga hatrany amin’ny 4 tapitrisa ariary miaraka amin’ny fanomezana fiara sy tambin-karama mamirapiratra. Miainga amin’ny 300.000 ariary ka tonga hatrany amin’ny 3 tapitrisa ariary kosa ny vola tangosany amin’ izay olona lasibany. Jereny aloha ny CV ary tombanany avy amin’izany raha misimisy hoenti-manana na tsia ny olona izay hatao lasibatra. Eo no hitenenany amin’izay ny vola ilaina mba hahazoana ilay asa. Miainga amin’ny hoe saran’ny fidirana ho mpikambana eo anivon’ilay ONG aloha ny lalao, mandalo amin’ny saran’ny fametrahana antontan-taratasy, ary tsy mijanona intsony satria tangosany tsikelikely ny olona rehefa mandeha ny fotoana. Miandry, efa ho enim-bolana aty aoriana mbola tsy azo ihany ny asa nampanantenaina. Saingy ao anatin’izay ihany koa dia vitan’ilay ONG tanteraka ny mampandry andrisa ireo olona. Tombanan’ny zandary efa ho any amin’ny 762 any ny olona voajono tao anatin’ity raharaha ity. Manerana ny nosy mantsy no misy ilay ONG izay nohamarinin’ny mpanao fanadihadiana fa tsy misoratra ao amin’ny minisiteran’ny atitany akory. Nisy ihany no nivoaka tamin’ny fahanginany tamin’ireo olona, rehefa ela loatra ny fiandrasana. Nampandre ny zandary io ary rehefa nandeha ny fanadihadiana dia voaporofo tokoa ny tsy fisian’ilay ONG akory. Manaraka izay, rehefa nohamarinina teny anivon’ny birao foiben’ny “Union Européenne” dia nazava ny valin-teny : tsy fantany akory na ny fisian’io ONG io. Saingy rehefa nentina teny Anosy ny tompon’andraikitra iray teo anivon’ilay ONG dia nahazo fahafahana vonjimaika. Ankehitriny dia manentana izay rehetra voakasik’ity fisolokiana ity ny zandary mba hanatona azy ireo avy hatrany, ao amin’ny “Direction de la Police Judiciaire”, etsy amin’ny toby Ratsimandrava ary hametraka fitoriana. Mbola betsaka ny olona miandry hatramin’izao ary noho ny famahanan-dalitra mandeha dia mbola misy betsaka ihany koa ny manantena. Saingy efa ny zandary ankehitriny no milaza fa fisolokiana avo lenta no misy. Arahina ny tohin’ny raharaha.
D.R