Zaitra, fanamboarana finday, fanamboarana sy fametrahana « panneaux solaires », ary fanodinana voankazo, … lalan-asa marobe no azon’ireto mpiofana trandrahina manomboka izao. Nandritra ny telo volana teo ho eo dia tanora miisa 85 avy any amin’ny faritra Analanjirofo iny no nisitraka fampiofanana araka asa tany an-toerana. Tao anatin’iny tetikasa « Up Shift » izay tohanan’ny Unicef, ary notanterahin’ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny fampiofanana araka asa sy ny fampanananz asa Analanjirofo. Ny alarobia lasa teo no navoaka sy notolorana « attestation » ireto andian-tanora mpianatra asa ireto izay nisalotra ny anarana « Santatra ». Lanonana manetriketrika izay natao tao amin’ny Salle Soeur Prado, Andranolava Fenoarivo Atsinanana. Tonga nanome voninahitra izany famoahana izany ny Goverinoran’ny faritra, Dr Randriamanantena Marcellin, ary nitso-drano azy ireo, hahavita be amin’ny asa sahanin’izy tsirairay avy. «Ainga vao ho an’ny tosika ara-toekaren’ny faritra ny fisian’ireto mpiofana ireto. Tsy tokony hipetrapotsiny ianareo satria mbola malalaka ny tsena eo amin’ireo sehatra niofananareo », hoy izy. Marihina fa ankoatra ny maripahaizana nomena azy ireo dia notolorana fitaovana nifandraika tamin’ny asa nianarany ireto tanora ireto ary nomena vola iray tapitrisa ariary isam-bondrona, ho tosika amin’ny asa hosahanin’izy ireo avy.
m.L