Nanararaotra ny fahamaron’ny asa sahanin’ny mpitsabo ity voafonja ka nitady hevitra hitsoahana. Lehilahy nigadra teny Antanimora no nentina teny amin’ny hopitaly ny alatsinainy lasa teo. Noho ny aretina nahazo azy dia tsy maintsy nampidirina teny amin’ny sampana famelomana aina teny amin’ny HJRA izy. Rehefa avy nahazo ny fitsaboana sahaza azy ity gadra dia navela irery tao an’efitranony. Tsy niditra tany anatin’ny toeram-pitsaboana mantsy ireo mpiambina avy eny amin’ny fonja fa nijanona taty ivelany, noho ny lalana mifehy ny hopitaly. Tao anatin’izany dia nikononkonina hitsoaka ity gadra ka tafaporitsaka. Novohainy moramora ny varavarankely ka teo izy no nisaoty niaraka tamin’ny “sonde” vao avy natsofoka taminy. Tsy nisy nahatsikaritra ny nivoahany ny rehetra na ireo mpiambina azy aza. Nanambara ny mpiambina ny teny amin’ny vavahady lehibe fidirana fa sarotra ny hahita ity gadra nitsaoka ity noho ny fahamaroan’ny olona mivezivezy misy “sonde” toa azy. Mbola mandeha ny fahamotorana ataon’ny manam-pahefana ankehitriny hitadiavana ity gadra ity.
Kanto R. (Stagiaire)