Niara-niofana, niara-nihira, niara-nanao fanatanjahantena ary niafara tamin’ny fisakafoana miaraka. Omaly no notontosain’ny sampana vonjy aina eo anivon’ny hopitaly Hjra, ny fifampiarahabana tratry ny taona teo amin’ny samy mpiara-miasa. Isan’ny dingana vita tamin’ny taon-dasa raha araka ny lehiben’ny sampan-draharaha ny fanatsarana ny “bloc orthopédique”, ny fahazoana ny “ambulance”, ny seza fitondrana marary (chariot). Napetraka ho tanjona kosa ny fampiasana tanteraka ny ambulance ary izany dia iarahana amin’ny sehatra tsy miankina. Manamora ny fidinan’ny mpitsabo vonjy taitra an-tsehatra izany ary izay rahateo no tanjona, ny hidinana mankeny amin’ny marary, amin’ity taona ity. Lanonana tsotra saingy nahafinaritra sy naneho firaisan-kina ny niseho teny amin’ny flots bleus, Ambohibao, omaly. Teo ihany koa no nanamarihana ny fahaherin-taonan’ny fikambana “Vonjy Aina”; izay iraisan’ny mpiasa eo anivon’io sampan-draharaha io.
D.R