- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-Divers« V8 » very : Tambiny Ar.5 tapitrisa ho an'izay mahita azy

« V8 » very : Tambiny Ar.5 tapitrisa ho an’izay mahita azy

Nanapa-kevitra ny tompon’ilay fiara, ny hanome valisoa fankasitrahana ho an’izay mahita ka manome vaovao momba ilay fiara tsy mataho-dàlana Toyota V8 ; izay nisy nangalatra tetsy Anosy. Ny 5 jiona teo no nanjavona teo an-toerana ilay fiara izay miloko volon-davenona ary mitondra ny laharana 6734 TAU. Fiara  nipetraka tsara eo amin’ny « parking » no nisy naka ary tsy hita hatramin’ny omaly. Nampametra-panontaniana ny olona maro izany ary lasa ny saina ny amin’ny fisian’ny tambajotra mpangalatra fiara avo lenta eto amintsika. Herinandro taorian’io koa mantsy dia nisy fiara tsy mataho-dàlana hafa  « Rexton » miloko mainty indray izay nanjavona. Ananan’ireo jiolahy ve ny fanalahidy faharoan’ireo fiara izay kendreny? Na izany aza anefa dia tsy voatery ho velona amin’ireny ny fiara, satria misy « puce » ny ankamaroan’ny fiara amin’izao fotoana. Ny hoe voavoha ny varavarana  mba hahafahana miditra ao anatiny no mety ho azo heverina, ary hatreo ihany. Raha tsy izay no izy, dia azo eritreretina ny fisian’ny manam-pahaizana amin’ny solosaina  mahavita miditra ao anatin’ny boaty fibaikoana ny fiara ary mahavita mamelona azy. Na any ivelany aza dia mbola vitsy no mahavita an’izany, ary mbola amin’ny horanan-tsarimihetsika no tena ahitana azy. Dia efa misy eto amintsika koa ve izy ireny? Mila mandeha lavitra ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana momba ny raharaha itony mba ho fitsinjovana ny tompon’ny fiara; izay an’arivony maro eto amintsika. Raha vitan’ny sasany mantsy ny mangalatra V8  azo sokajiana ho isan’ny fiara raitra eto amintsika, azo inoana izany fa izay fiara rehetra tian’izy ireo halaina dia ho vitany raha vao mipetrapetraka eny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici