- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversVadin’i Raissa : Hatao fanadihadiana ao Fiadanana

Vadin’i Raissa : Hatao fanadihadiana ao Fiadanana

Nanomboka tamin’ny aogositra 2024 izy no namoahana filazàna fikarohana. Omaly kosa no natsahatra ny fikarohana azy rehefa hita izy ary efa nanokafana fanadihadiana eny amin’ny sampana fanadihadiana momba ny raharaha heloka bevava, etsy amin’ny zandarimaria etsy Fiadanana. Tsy iza izany fa ny vadin-dramatoa Raissa, io farany izay efa mamita sazy eny am-ponja (fito taona) koa nanomboka ny 2023 rehefa nosamborina ny 2022. Izy dia noho ny fikasàna hamono olona no fiampangana azy. Nisy nahazo vidéo izany ary nanomboka teo ny fanenjehana. Mbola niampy roa toana koa izany noho ny fanalana baraka mpitsara sy mpiraki-draharaha. Izay ny lafiny ofisialy fa kosa ny fisian’ny raki-peo izay niparitaka ka nanelanelanany minisitra sy mpibizna volamena no tena niandohan’ny rehetra. Afera maloto izay niafara tamin’ny nialàn’ilay minisitra tamin’ny toerany. Saingy ankehitriny izy lasa olom-boafidy dia lasa toa ny tsy nisy ny rehetra raha « tratra farany » kosa i Raissa. Momba ny vadin’ito farany indray nanomboka teo mahakasika raharaha fisolokiana sy fampiasana taratasim-bola tsy misy antoka no antony namoahana filazàna fikarohana azy. Izany dia nifanjohy tamin’ny fampiasany ny maha-filohan’ny vadin-tany azy ka niarovany am-badiny avy amin’ny alàlan’ny fanehoan-kevitra. Nanomboka teo koa ny fanenjehana rehetra rehefa tena nozohina. Nodidian’ny fitsaràna ny fanalàna azy amin’ny toerany ary nanomboka teo koa izy no tsy hita raha tsy izao efa nanokafana fanadihadiana etsy Fiadanana izao. Mampifoha indray ny raharaha Raissa izay nahaliana ny mpanara-baovao maro ity nahazoana am-badiny ity. Nahaliana tokoa satria saika hita tao anatin’ny raharaha avokoa ny kolikoly avo lenta, ny kolikoly isan’ambaratongany, ny fiasan’ny « mafia » amin’ny famehezana olona ambony sns…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici