Adiny 12 katroka taorian’ny fidiran’ny Filoham-pirenena tamin’ny Televiziona Nasionaly dia nihatra avy hatrany ny fiangaviany ny tompon’andraikitra ny mba hamotsotra ny vadin’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy. Ny heloka vady tsy heloky ny ankohonany ary tsy tokony hotazomina noho izany ilay ramatoa. Tsy niandry ela ny teo anivon’ny fitsaràna sy ny mpiandry fonja fa avy hatrany dia namoaka ilay ramatoa teny Antanimora omaly maraina manodidina ny tamin’ny sivy ora sy sasany. Ireo olona efatra ambiny kosa izay voasambotra tamin’ity raharaha ity niaraka tamin’ilay ramatoa dia mbola notazomina am-ponja vonjimaika avokoa. Tao ny nankasitraka ny amin’ny namoahana am-ponja ilay ramatoa ary tao koa no sady nanaiky ny fanapahan-kevitra no nanakiana izany. Nizara ny hevitry ny olona ary nisy ny nametram-panontaniana ny amin’ny tsy fiakinan-dohan’ny fitsaràna Malagasy. Ho an’ny mpanohitra sasany indray dia nahita fa tafampita ny hafatry ny Kolonely voakasika dia ny tsy tokony hikitihina ny vadiny “sao sanatria mangarom-biby an-davaka satria ny fahavalo ratsy indrindra dia biby tezitra”, araka ny teniny tamin’ny tambajotra sosialy. Ny tsikaritra koa tamin’ity raharaha ity dia ny fiparitahan’ny horonan-tsary sy sary mahakasika ny fametrahana ireo “cocktail Molotov” teny Antanimena sy 67Ha. Hatramin’ny fijoroan’ireo voalaza fa mpiray tsikombakomba aza dia efa hita teny amin’ny Facebook avokoa. Ireo porofo ireo anefa dia tsy tokony nivoaka na aiza na aiza ary tsy misy mahafantatra ankoatry ny mpitandro ny filaminana misahana ny fanadihadiana ary koa ny mpitsara mpanao famotorana. Saingy ny olon-drehetra izay manao tambajotra sosialy dia afaka nahita izany avokoa. Aiza ho aiza ny fanajàna ny tsiambaratelon’ny famotorana izay tena saro-pady tokoa amin’ny raharaham-pitsaràna? Faharoa manarak’izany dia nohazavaina tamin’ny fomba ofisialy fa tafaporitsaka tao anatin’ny biraon’ny mpitandro ny fiilaminana izay nanaovana fanadihadiana azy ilay Kolonely. Io koa dia niteraka resa-be satria raha misy ny toerana tsara ambina indrindra dia ny toby izany. Kanefa dia tafavoaka soa aman-tsara tao ary tafaporitsaka any an-dafy aza ny lehilahy mba ho “fiarovany ny ainy”, raha araka ny fanazavany tamin’ny tambajotra sosialy indray. Fivoriana tsy an-kijanona nanomboka ny faramparan’ny herinandro teo, fotoana nivoahan’ny video tamin’ny tambajotran-tsosialy ny teo anivon’ny lehiben’ny miaramila. Matoa mantsy sahy nanao izay nataony ity Kolonely ity dia mety misy lamosina tao ambadiny. Ny fitsoahany mora foana tany an-dafy koa tao anatin’ny fotoana fohy dia toa mahatonga saina ny amin’ny fisian’ny tambajotra miara-miasa aminy ary mety ho matanjaka. Manara-maso hatrany ny fivoaran’ny raharaha izay tena mihazakazaka be ny olom-pirenena…
D.R