- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversVadintany sy Mpanao lavanty : Hamolavola tolo-dalàna ny sata mifehy ny asany...

Vadintany sy Mpanao lavanty : Hamolavola tolo-dalàna ny sata mifehy ny asany ny holafitra

Hametraka lamina vaovao ho fandaminana ny fitantanana ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty ny birao nasionaliny mialoha ny hiafaran’ny fotoam-piasany. Ezaka atao amin’izany ny hanatsara ny asa amin’ny alàlan’ny fandrindrana ny raharaha anatiny sy ny fifandraisana amin’ny tontolo ivelany ka hamolavola tolo-dalàna mikasika ny sata mifehy ity asa ity ny birao nationalin’ny Holafitry ny Vadintany sy Mpanao lavanty. Ireo no isan’ny hevi-dehibe notapahana nandritra ny fivoriambe nataon’ireo mpikambana ao amin’ity birao ity izay notarihan’ny filohany, Me Mahefalahy Rasamimaka, ny zoma lasa teo tetsy amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy. Ankoatra ny fanomanana fifaninanana handraisana Vadintany vaovao dia tsy maintsy hatolotra ny Minisiteran’ny Fitsarana izay mpiahy azy ireo io tolo-dalàna io mialoha ny hifaranan’ny fotoam-piasan’ny birao ankehitriny. Hitondra ainga vao ho an’ny holafitry ny vadintany sy ny mpanao lavanty ny birao nasionaly mialohan’ny hahataperan’ny fe-potoam-piasany. Tanjona mantsy ny hameno ny distrika rehetra manerana ny faritra saingy tsy mbola mahasahana izany ny isan’ny vadintany vita fianarana sy ireo vadintany vonjimaika amperin’asa ankehitriny. Nambaran’ny filohan’ny holafitra fa tokony hisy vadintany telo fahafakeliny isaky ny Fitsarana ambaaratonga voalohany nefa raha ny zava-misy ankehitriny dia misy Fitsarana tsy ahitany vadintany akory eto amin’ny Madagasikara. Ezaka himasoan’ny birao nationaly ihany koa ny hampahafantatra ny asan’ny vadintany amin’ny vahoaka sy ireo mpianatra lalàna mba hampirisihana ireto farany hizotra amin’ity sehatr’asa iray ity sy mba hannatsarana ny fifandraisan’ny vahoaka sy ireo Vadintany izay matetika misy disadisa ihany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici