Faly ny solontenan’ny vahoaka avy any Andriamena fa nivaly soa aman-tsara ny fitarainan’izy ireo tamin’ny Mpitondra fanjakana, ny hanokafana ny orinasa APC, izay mitrandraka sy manondrana kraoma. “Efa nisy ny taratasy avy any amin’ny Fitsarana namoaka ny fanomezan-dalana fanokafana indray ny orinasa APC, izay manala ny fanakatonana ny orinasa mitrandraka sy manondrana kraoma ity. Rehefa nanatona ireo mpitantana aty ambony, eo anivon’ny orinasa io ny solontenan’ny vahoaka, ka ny olana ny fikatsoan’ny fahafaha-manondrana ny vokatra kraoma ao Toamasina, ahafaha-mandefa azy any ivelany”, hoy Rakotoarivony Minosoa, mpanolotsaina teknikan’ny depioten’i Tsaratanana sady mpitondra tenin’ny mponina any Andriamena, omaly tetsy Ivandry. “Na nahazo fahazoan-dalana hisokatra aza io orinasa mamelona olona anjatony io, saingy tsy afa-manondrana ny kraoma any ampitan-dranomasina, toy ny faly sahirana ihany izahay. Ny antony, ny kraoma tsy azo hohanina, fa aondrana any ivelany hivadika vola, ampandehanana indray ilay orinasa. Rehefa misy ny fanondranana, araka izany, dia afa-mandoa ny karaman’ny mpiasa ny orinasa. Tiana mampahatsiahy fa ny ampahany betsaka amin’ireo mivelona ao anatin’ity orinasa ity, dia zanaky ny Faritra avokoa, hoy ny fanazavana. Raha tsy afa-manondrana kraoma ny orinasa,dia tsy afa-manohy ny asa sosialy tanterahiny. Ny lalana mampitohy an’i Brieville amin’ny tanàna iray ao an-toerana, dia ny orinasa APC no manatontosa azy, dia tapaka antenantenany vokatry ny fikatonan’ny orinasa tampoka.
Manao antso avo amin’ny Filoha sy ny Praiminisitra Manao antso avo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta ny mponina ao Andriamena satria ny Filoha no miahy ny vahoaka ary ny Praiminisitra no miandraikitra ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Mangataka azy ireo ny mba hamahana io olana io, indrindra ny fanondranana kraoma izay hahafaha-mandoa ny karaman’ireo mpiasa mivelona amin’ity orinasa ity na mivantana na ankolaka. « Velirano nataon’ny Filoha Andry Rajoelina ny fametrahana indostria sy orinasa manerana ny distrika. Ny fanakatonana orinasa, izay orinasa ara-dalàna dia mifanohitra tanteraka amin’ny vinan’ny Filoha. Ny fahazoan-dalana mitrandraka an’ity orinasa mitrandraka ny resaka kraoma ity dia efa eny anivon’ny Kaominina ny antontan- taratasy rehetra sy ny antontan-taratasy momba ny tontolo iainana », ho ireo ben’ny tanàna. Nanamafy ny mpitondra tenin’ny vahoaka any an-toerana, fa raha vantany vao niseho ity fanakatonana ity, dia nandefa solontena ho aty Antananarivo ny mponina any an-toerana sy ny vahoaka ary ny tomponandraikitra isan-tokony, dia nanao fangatahana sy fitarainana mba hanokafana indray ity orinasa mamelona fianakaviana anjatony mivantana na ankolaka.
Yv Ssm