Tsy mbola milamina ny raharaha mikasika ilay raharahan’ny fiangonana Fivavahana Kristiana Miray (FKM) nampiasain’i Tatandraza, niteraka sakoroka tao Soanierana Ivongo ny 19 jona lasa teo ka nahamay ilay trano, sy naharatrana olona am-polony ka polisy ny iray. Sahiran-tsaina amin’ny fitadiavana ireo havan’izy ireo efapolo trano eo ho eo izay miandahy miambavy ary misy ireo mpianaka sy mitondra vohoka tsy hita ny toerana misy azy, izay nentin’ity milaza ho apostoly ity nandositra niaraka taminy nandritra ny fitsoahany ny tao Soanierana Ivongo. Tsy misy na iray aza azon’ireo havany amin’ny antso amin’ny findainy, sy tsy nahenoan’izy ireo vaovao intsony hatramin’izao. Niezaka ny nanara-dia azy ireo nandritra ny fotoana nitsoahan’izy ireo ihany ny mponina sy ny mpitandro ny filaminana, fa nisy ny fandorana ala nataon’ireto niara-dia tamin’i Tatandraza nandritra izany mba nentina nanakanana ny fanarahan-dia azy ireo sy namafan’izy ireo ihany koa ny marika nilaza ny lalana nandehan’izy ireo. Feo no ren’ireto fianakavian’ny olona efapolo trano tsy hita popoka ireto fa nanara-dia an’ity apostoly ity any Sakaraha ireto olona ireto, nefa nandritra ny fanangonam-baovao nataon’izy ireo dia tsy misy an’izany any amin’ity kaominina atsimon’i Madagasikara ity, izay mbola an’arivony kilometatra miala an’i Soanierana Ivongo sy toerana nitsoahan’izy ireo ihany koa no misy azy. Noho izany dia manery an’i Tatandraza hamerina ny havany izy ireo, manahy ireto manao antso avo amin’izao fotoana nilazan’ity aposotoly ity hamono tena izao, dia entiny mamono tena miaraka aminy koa ireto vahoakan’Ampasimahatera niara-nitsoaka aminy izay misy ankizy ireto.
Malala Didier