- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVaingaindrano : Jiolahy raindahiny maty voatifitra, iray hafa nitolo-batana

Vaingaindrano : Jiolahy raindahiny maty voatifitra, iray hafa nitolo-batana

Mpamono olona, mpanao fanafihana, mpangalatra omby … Nandray ny valin’asany ity jiolahy raindahiny iray, malaza ratsy sy efa nampitondra faisana olona maro tany amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny. Maty voatifitra rehefa nifanehatra tamin’ny pôlisy ny faran’ny volana aogositra lasa teo. Nisy iray tamin’ireo namany ihany koa voasambotra, rehefa nitolo-batana teo anivon’ireo mpitandro filaminana. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy andian-jiolahy nikasa hanafika tao amin’ny tanàna iray tao amin’ny fokontany Morafeno, ao anatin’ny distrikan’i Vangaindrano. Tonga teny am-pototsofin’ireo polisy miasa any an-toerana izany ary nahetsika avy hatrany ireo olombelona rehetra tao an-toerana, hiandry sy hikarohana ireto andian’olon-dratsy ireto. Napetraka ny vela-pandrika ary nambenana avokoa ireo rehetra mety ho lalana hitsoahan’ireto farany, rehefa raikitra ny fifandonana. Tsy nidify tokoa ny angom-baovao azon’ireo pôlisy satria nandritra ny fisafoana ny tanàna no nifanehatra tamin’ny andian’olona tsy mazavazava izy ireo. Raha iny handeha hiroso tamin’ny fisavana iny anefa ireto mpitandro filaminana ireto no namoaka basy tampoka avy any am-balahany any ireo olona ary rafitra nampiasa izany, tamin’ireto pôlisy. Efa nivonona anefa ireto farany, ka vantany vao nitifitra iretsy voalohany dia efa nivonon-kamaly hiaro tena ihany koa ireo mpanao fisafoana. Nirefodrefotra ny basy tao an-tanàna. Tao anatin’izay fifanjevoana sy fifandonana mafy dia mafy izay no nisy iray tamin’ireo jiolahy lavo. Nahita ny iray tamin’izy ireo ka nibaboka sy nitolo-batana tamin’ireo mpitandro fialminana. Voalaza kosa fa nisy naman’izy ireo tafaporitsaka sy tafatsoaka tao anatin’ity fifandonana ity. « Mbola tratra teny amin’izy ireo ny kitapo iray sy ny basy vita gasy iray ary pilotra. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy any an-toerana ilay jiolahy iray azo sambo-belona hatao famotorana. Niaiky izy fa saika hanao fanafihana izy ireo. Rehefa nanao ny fanadihadiana ihany koa ny polisy dia fantatra fa jiolahy efa namono olona roa ary nangalatra omby tao amin’ny distrikan’i Farafangana izy ireo. Mitohy ny fanadihadiana », hoy ny fampitam-baovao azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici