
Mbola teo am-pitadiavana lalana, hitondra ireo zava-mahadomelina, miakatra aty an-drenivohitra izy ireo no tonga teny am-poto-tsofin’ny zandary ny vaovao. Napetraka avy hatrany ny velam-pandrika hanjonoana ireto fanetriben’ny firenena ireto, amin’ny fanaparitahana rongony. Vokany, rongony 15 gony, manodidina ny 143 kilao teo ho eo no saron’ny zandary tany amin’iny distrikan’i Vangaindrano iny, ny alahady lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia tafaporitsaka ireto mpividy sy mpivarotra izany rongony izany, ary namela ny entany teo. “Nandeha hametraka velapandrika teo amin’ny toerana tokony holalovan’ izy ireo ny zandary ka nahatazana azy ireo teo ampitan’ny reniranon’i Menagnara. Nenjehin’ny zandary avy aty ampita araka izay tratra fa tafaporitsaka ireo olona nitondra ny entana” hoy ny vaovao. Nogiazana avy hatrany moa ireto rongony ireto, ary mbola mandeha kosa ny fikarohana ireo tompony. Voalaza fa olona avy any amin’iny kaominina Ivahona, distrikan’i Betroka iny izy ireo. Azo heverina ihany koa araka izany fa avy any ireto rongny aman-jatony kilao ireto.
m.L