
Fitsaram-bahoakaa indray ! Nodarohina ary notaritaritina eran’ny tanana ity tovolahy ity, voalaza fa olon-dratsy avy namaky tsena tao Matagna, distrika Vaingandrano ity omaly. Tsy namelan’ireo fokonolona nahasambotra azy mihtisy moa raha tsy tapitra ny ainy.
Raha ny zava-nisy araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia nitrangana vaky trano tao amin’ity tanana iray, voalaza etsy ambony ity. Tsena io lasibatry ny jiolahy io. Very tamin’izany ny café milanja eo amin’ny 50 kilao, tao anaty gony, niampy « lecteur Dvd » iray. Efa nisy ny olona noahiahiana mahakasika izany ary niezaka nikaroka io tovolahy io ny tompon-trano sy ny fokonolona. Tratra teny an-tsena ity tovolahy ity ka avy hatrany dia nosamborina. Nentina teny amin’ny tany malalaka ary nanomboka teo ny fampijaliana isan-karazany, izay niafara tamin’ny famoizan’io lehilahy voasambotra io ny ainy mihitsy moa izany. Raha ny fantatra dia efa mpamerin-keloka tokoa ity olona ity ary efa fantatry ny fokonolona teo an-toerana izany. Izy rahateo mponina ao amin’io tanana io ihany. Voalaza fa efa nigadra noho ny resaka asa ratsy ranamana ary malaza mpanao hala-botry. Mety ho izany rehetra izany no nitambatra ka nampisendaotra ireo fokonolona nahasambotra azy ary dia izao niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka izao. Marihana hoy hatrany ny vaovao azo fa toerana somary lavidavitra io tanana io ka na dia efa nandre nahakasika ny zava-nisy aza ireo zandary tany an-toerana, ny fotoana nahatongavana tao dia efa maty ilay tovolahy. Eny eny am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana moa amin’izao ny raharaha ary efa mandeha ny fanadihadiana rehetra.
m.L