Fitsaram-bahoaka niafara tamin’ny fanafihana ny biraon’ny zandary no nitranga tany Mahatangy, distrikan’i Vaingandrano, ny zoma harivana lasa teo. Fisamborana olona noahiahiana ho namono nahafaty olona tany an-toerana no niatombohan’ity savorovoro tany an-toerana ity. Nitaky ity olona voasambotra ity ireo fokonolona, mba hanaovana fitsaràm-bahoaka, ary dia tonga hatramin’izao fandrobana ny biraon’ny mpitandro filaminana izao. Vokany, tsy hita nanjavonana ilay lehilahy saika niharan’ny fitsaràm-bahoaka ka niantefa tany amin’ireo mpitandro filaminana ny rihatra. Saika vaky avokoa ireo birao rehetra tao amin’ity borigady ity ka fitaovana maromaro no potika. Antontan-taratasy maromaro kosa no lasa lavenona rehefa avy nodoran’izy ireo. Raha ny fantatra dia tsy nisy afa tsy zandary roalahy no niandry raharaha tao amin’ity toby ity, raha nivoaka namita iraka avokoa ireo ambiny. Na dia teo aza ny fiambenana mafy ny borigady, tamin’ny alalan’ny tifi-danitra, nataon’ireto mpitandro filaminana ireto, dia tsy nampihemotra velively ireto fokonolona izany, ka nahatonga ilay fisavoritahana tao anatin’ny toby nony avy eo. Ny sabotsy maraina teo no nalefa nanampy ireo tany an-toerana ny zandary sivy avy ao Vaingaindrano, izay notarihan’ny Lefitry ny kômandàn’ny kômpania, niaraka tamin’ny Lehiben’ny borigasy tany an-toerana. Niditra an-tsehatra ihany koa ireo olon-kendry tao an-tanana, izay nahitàna ny ampanjaka sy ireo mpitondra fivavahana, nandamina ny izay toe-draharaha izay. Niverina tamin’ny fiainany andavanandro anefa ny rehetra taorian’izay. Marihana fa nisy olona hita faty tamin’io toerana voalaza etsy ambony io ny zoma hariva lasa teo. Taorian’ny fanadihadian’ireo zandary dia nisy olona iray noahiahiana ka voatery notazomina. Hitan’iretsy fianakavian’ny maty izany ka niakatra afo izy ireo, hitakiana ity farany ho amin’ny fitsaram-bahoaka. Nitsoaka ilay voatazona raha vao nahita ireto andian’olona nanatona ny biraon’ny zandary. Raikitra teo ny savorovoro, ny tora-bato sy ny fidirana an-keriny tao amin’ny biraon’ny zandary. Hatreto dia tsy hita tany nanjavonana kosa ilay olona anton’izao sakoroka izao.
m.L