- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversVakinakaratra : Dahalo nanafika, lasa ny omby miisa folo

Vakinakaratra : Dahalo nanafika, lasa ny omby miisa folo

Fanafihan-jiolahy mirongo basim-borona no niseho tao Ambohimigadona-Antsirabe, ny sabotsy lasa teo. Nanao andiany ireto malaso, izay mananika ny fito ambin’ny folo any, ka tonga dia namantana teny amin’ny vala nisy ireo omby. Navoaka’izy ireo ny amby ary avy hatrany dia nirifatra nandositra izy ireo. Tsy ela anefa dia vorilanona ny fokonolona sy ny zandary miisa enina. Avy hatrany dia natao ny fanarahan-dia ka tsy mbola lasa lavitra ireto dahalo dia efa tsinjon’ireto mpanaraka, efa somary nihataka ny tanàna anefa ireto malaso ary ny tena olana dia efa nahavita niampita ny renirano izy ireo ka voatery najanona ny fanenjehana. Ny andro rahateo koa efa somary maizina no niampy orana mijojo.

Sarotra be ny fisamborana satria ao anatin’ny haizaina sy ny orana ka raha mbola misisika ny hanaraka ihany dia mety hisy ny fitifirana avy amin’ireto olon-dratsy ka izay no nahatonga ny zandary hanapa-kevitra hiato,  mba hisorohana ny fahafatesana. Efa mandeha moa ny famotorana amin’izao fotoana izao, ireo omby kosa dia lasan’ireo dahalo avokoa.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser