Orinasa ARTIC
Tsy ny fiantran’ny vahiny no hahatafavoaka ny Malagasy
Nandritra ny fanomanana ny foaraben’i Betafo, izay natao ny herinandro lasa teo iny, no efa nisy ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny orinasa ARTIC. Ity farany no niantoka tanteraka ny fanavaozana ny endriky ny lapan’ny tanàna, nandoko ny kaominina iray manontolo. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina na ny “Partenariat publique privée”. Ezaka fampandrosoana no tiana havoitra, hoy ny filoha mpitantana sy mpanorina ny orinasa ARTIC Andriamanalina Zaka Bary Jaona. Ny Malagasy samy Malagasy dia afaka mifamelona sy mifanampy fa tsy iandrasana vahiny izany, hoy hatrany ny fanazavany, ary izay indrindra no antony nifidianan’ny orinasa ny teny filamatra “Malagasy mifamelona”. Tokony hitohy any anaty fiaraha-monina ny fiaraha-misalahy, mba ho fanatanterahana sy hisian’ny fampandrosana miainga amin’ny samy Malagasy, hoy izy nanazava. Ankaotra izay, dia isan’ireo nandray anjara tamin’ny fampirantiana nandritra ny foara be “Ndao mba ho any” andiany voalohany ny orinasa. Tanjona ny fampahafantarana amin’ny vahoaka sy ny tantsaha ny fisian’ny orinasa ary fanapariahana ny vokatra.
Nahatsikaritra koa ny talen’ny orinasa nandritra ny fitsidihana ny kaominina, fa manana trano famakiam-boky ny lapan’ny Tanàna. Misy banga anefa izany satria saika boky vahiny avokoa no hita tao. Noho izany dia nanolotra boky malagasy ho an’ny trano famakiam-boky ny ARTIC. Saika ireo boky manana ny lazany, nosoratana mpanoratra sangany maro, no nomena ny trano famakiam-boky. Boky izay mirakitra ny rafi-piarahamonina sy foto-pisainana malagasy hamantarana ny tena maha-malagasy. Isan’izany ny boky nosotan’i Dox, na i Jean Verdi Razakandrainy, izay tsy avy aiza akory fa avy ao Betafo.
Andry N.
Hafari Vakinankaratra
70% ny olana ara-tany efa voavaha
Roa taona izao no nijoroan’ny HAFARI eto amin’ny faritra Vakinankaratra, maro ny toerana efa ahitana azy ary saika efa miparitaka eto amin’ny faritra manodidina mihitsy. Isan’izany ny eny amin’ny kaominina Antsoatany. Mizara roa mazava tsara ny tetikasa. Voalohany ahitana ny “quartier residentiel “ mitondra ny anarana “Iles Eparce du St Pierre, mirefy 20Ha, faharoa ny « zone agricole, » mirefy 14 Ha, antsoina « Iles Eparce du Ste Vierge ». Olona manodidina ny 200 no voalaza fa afaka misitraka ireo tany ireo, araka ny safidiny. Nanamarika ny filohan’ny Hafari Vakinankaratra, Hasitiana Rakotojaona, fa tany « titré » avokoa no tafiditra anaty tetikasa fa tsy tany bodoina akory. Nohamafisiny fa tsy misedra olana ny Hafari eto Vakinankaratra fa hatreto aloha dia famahana olana aza no tena antom-pisiany, ary mitaona ny olona hifindra monina eny ambanivolo, satria mahatsapa izy ireo fa mivangongo loatra eny an-drenivohitra ny ankamaroan’ny olona. Mamaha ny olana amin’ny resaka ady tany ny Hafari, raha ny nambaran’ny filohany eto Vakinankaratra hatrany, mba tsy hahatongavan’ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Araka ny tarehimarika azo dia 70% amin’ny olana ara-tany amin’ireo mpikambana izao no efa voavaha, raha ny eto Antsirabe. Ho an’ny distrikan’i Betafo kosa, izay efa ahitana sampan’ny Hafari, dia mahatratra 300 ny mpikambana, ka ny 100 amin’izy ireo dia manana olana ara-tany avokoa. Marihina kosa anefa fa tsy misy ny tetikasa « exode urbain » ao Betafo fa ny distrika Mandoto no efa vinavinaina hiasana.
Ankaotra ny kaominina Antsoantany dia misy tetikasa koa ao Antanifotsy, Ambohimiarivo, Ambatomena ary Vinaninkarena, ity farany ity dia mirefy 6Ha ary olona 100 no afaka hisitraka azy.
Andry N.