Fametrahana fehezam-bonikazo, feon-kira ho an’ny maty, fehezan-teny ho an’ny Kolonely Richard Ratsimandrava ary fahatsiarovana ireo zandary namoy ny ainy teo am-panaovana ny asany. Ireo no endrika nentina nanehoan’ny mpitandro filaminana teto Vakinankaratra ny datin’ny 11 febroary 2014. Toromarika avy amin’ny foibem-pibakoina, ny kaomandin’ny zandarimaria, ireo voalaza ireo ka tsy nanadino izany ireo manamboninahitra isan-tsokajiny nanome voninahitra ny fotoana. Fantatra fa manomboka izao dia hotsaroana amin’io daty io ihany koa ireo zandary lavo teo am-pananterahana ny asany teto amin’ny firenena. Ho an’ny vondron-tombim-pileovana eto Vakinankaratra dia nahatratra fito ireo zandary lavo hatramin’ny taona 2007. Roa no lavo tamina fikomiana nataona an-dian’olana, dia tao Vinaninony Miandrarivo sy ny distrkan’i Betafo. Isan’ireo maty amperin’asa vao haingana moa ilay zandary avy ao amin’ny tobin’ny zandarimaria Ambohibary nanao PR teo Vohitsoa.
Andry N.