- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversVakinankaratra : 11 Febroary 2014: nomarihana niaraka tamin’ireo zandary maty amperin’asa

Vakinankaratra : 11 Febroary 2014: nomarihana niaraka tamin’ireo zandary maty amperin’asa

Fametrahana fehezam-bonikazo, feon-kira ho an’ny maty, fehezan-teny ho an’ny Kolonely Richard Ratsimandrava ary fahatsiarovana ireo zandary namoy ny ainy teo am-panaovana ny asany. Ireo no endrika nentina nanehoan’ny mpitandro filaminana teto Vakinankaratra ny datin’ny 11 febroary 2014. Toromarika avy amin’ny foibem-pibakoina, ny kaomandin’ny zandarimaria,  ireo voalaza ireo ka tsy nanadino izany ireo manamboninahitra isan-tsokajiny nanome voninahitra ny fotoana. Fantatra fa manomboka izao dia hotsaroana amin’io daty io ihany koa ireo zandary lavo teo am-pananterahana ny asany teto amin’ny firenena. Ho an’ny vondron-tombim-pileovana eto Vakinankaratra dia nahatratra fito ireo  zandary  lavo  hatramin’ny taona 2007. Roa no lavo tamina fikomiana nataona an-dian’olana, dia tao Vinaninony Miandrarivo sy ny distrkan’i Betafo. Isan’ireo maty amperin’asa vao haingana moa ilay zandary avy ao amin’ny tobin’ny zandarimaria Ambohibary nanao PR teo Vohitsoa.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser