- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA

VAKINANKARATRA

Kaominina Mandoto : Nahatsiaro manokana ny zoky olona sy ny sahirana ary ny sembana

Toy  ny fanao isan-taona, tsy manadino ireo zoky olona sy ny sahirana ara-pivelomana, ireo olona manana fahasembanana ara-batana na ara-tsaina miampy ny tera-bao sy ny voafonja ny kaominina Mandoto tahirin’ndRamatoa ben’ny tanàna rehefa tonon-taona toy izao. Araky ny tapaky ny filan-kevitra sy ny birao mpanatanteraka ary mpiara-miasa rehetra dia ny faran’ny heriandro lasa teo no notanterahina ny fiharahabana sy fanolorana solom-bodiakoho ho an’ireo be antitra eo anivon’ny kaominina  sy ireo avy amin’ny fokontany sahirana ara-pivelomana. Tsy natao fiaraha misakafo ny hetsika fa fotsimbary 5 kapoaka isan’olona sy nofon-kena mitam-pihavanana niampy akanjo fitafy no nozaraina ho an’ireo olona voalaza etsy ambony ireo, izany no natao mba hahafan’ny fianakaviana iray trano misitraka ny fanomezana. Fianakaviana  manodidina ny 412 teo no nahazo  ireo fanomezana avy amin’ny kaominina ireo. Hetsika efa fanao ihany izy ity fa fiaraha-misakafo no nahazatra fa ho an’ity indray mitoraka ity kosa  noho ny fahantran’ny vahoaka dia tsaratsara kokoa raha zavatra toy izao no natolotra hoy ny ben’ny tanàna. Tanjona  napetraky ny kaominina kosa amin’ity taona ity, izay nambara fa taoan’ny asa dia ny hamitana ny CEG roa natsangan’ny kaominina, sy hananganana efitrano fianarana nahazoana famantsiam-bola izy io. Ankoatra izay ny hanokafana “cyber” ao Mandoto sy ivon-toeram-piofanana ho an’ny vehivavy mba hahafan’ireto farany mihoatra ny fiainana. Olana goavana kosa ny herinaratra satria adin’ny efatra isan’andro ihany no mba mandeha ny jiro ao Mandoto ao efa an-taonany maro izao.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici